bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 10
2 Corinthians 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
1
Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny halemem-panahy sy ny hamoram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa feno fahasahiana aminareo kosa raha tsy eo.
2
Miangavy anareo aho: Aoka mba tsy ho amin’ny fahasahiana no hanehoako ny fahatokiako raha tonga aho; fa izany fahasahiana izany no kasaiko haseho amin’ny sasany izay milaza anay ho mandeha araka ny nofo.
3
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo,
4
fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana
5
sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
6
ary vonona hamaly ny tsy fankatoavana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fankatoavanareo.
7
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo. Raha misy olona matoky tena fa an’i Kristy dia aoka izy hisaintsaina izao indray: Fa tahaka ny maha an’i Kristy azy, no maha an’i Kristy anay koa.
8
Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ny fahefana izay nomen’i Kristy anay ho fampandrosoana, fa tsy ho fandravana anareo, dia tsy ho menatra ny amin’izany aho.
9
Fa tsy te hiseho ho mpampitahotra anareo amin’ny epistily nalefako aho.
10
Fa ny epistiliny, hoy ry zareo, dia mavesatra sy mahery; nefa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
11
Aoka izany olona izany hahafantatra fa tahaka ny fiteninay amin’ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
12
Fa tsy sahy hilaza ny tenanay ho isan’ny sasany izay midera tena izahay, na koa hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
13
Fa tsy mba hirehareha mihoatra noho izay tokony ho izy izahay fa araka izay voafaritr’Andriamanitra ho anjaranay, dia ny hahatongavanay any aminareo koa.
14
Fa tsy toy ny olona izay tsy mbola tonga tany aminareo izahay ka ho mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa efa tonga tany aminareo tokoa tamin’ny Filazantsaran’i Kristy izahay;
15
tsy mirehareha mihoatra ny tokony ho izy izahay ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia mihalehibe ao aminareo koa izahay, araka izay voafaritra ho anjaranay, sady mbola handroso ihany
16
ka hitory ny Filazantsara any ivelan’ny faritra misy anareo, mba tsy hireharehanay amin’ny asa efa vitan’ny hafa.
17
Fa «izay mirehareha dia aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9. 23).
18
Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana fa izay derain’ny Tompo.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13