bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 8
2 Corinthians 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
1
Ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana any Makedonia;
2
fa tamin’ny fahoriana be izay nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny harenan’ny fahalalahan-tanany.
3
Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
4
sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany;
5
ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha, dia izay vao ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra.
6
Koa dia nangataka an’i Titosy izahay mba hamita izany asa fanasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
7
Nefa noho ny fanananareo ny feno amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka hanana ny fitiavana feno koa ianareo amin’izao asa fanasoavana izao.
8
Tsy milaza izany ho didy aho fa noho ny zotom-pon’ny sasany dia te hizaha toetra ny fahamarinan’ny fitiavanareo.
9
Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.
10
Ary ambarako izay hevitro ny amin’izany, fa mahatsara anareo izany, satria ianareo no nanomboka nanao fanangonana, ary ianareo rahateo no nanapa-kevitra ny hanao izany talohan’ny hafa, hatramin’ny taon-dasa.
11
Tanteraho hatramin’ny farany ary izany, koa tahaka ny fahazotoanareo tamin’ny famolavolana ny asa dia aoka koa ho tahaka izany ny fanatanterahana azy, araka izay anananareo.
12
Fa raha misy ny fahazotoana dia araka izay ananana no ankasitrahana ny mpanome fa tsy araka izay tsy ananana.
13
Kanefa tsy ny fanamaivanana ny fahorian’ny sasany no hanavesatra anareo fa ny mba hisian’ny fitoviana;
14
koa amin’izao ankehitriny izao, ny haben’ny harenanareo no hahafaka ny fahantran’ireo ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny fahantranareo mba hampisy fitoviana,
15
araka ny voasoratra hoe: «Ny nanangona be dia tsy nanana amby ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy» (Eks 16.18).
16
Fa isaorana anie Andriamanitra izay nanome izany fahazotoana izany koa ho ao am-pon’i Titosy ho anareo.
17
Fa nanaiky ny fangatahanay izy sady efa nazoto rahateo izy, koa an-tsitrapo no nandehanany nankany aminareo.
18
Ary ilay rahalahy izay re laza any amin’ny fiangonana rehetra noho ny amin’ny Filazantsara, io no nirahinay hiaraka aminy;
19
ary tsy izany ihany fa efa notendren’ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fanomezana izao ka ataonay ho naman’ny asa fanompoanay izany, ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay.
20
Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao harena be voangona sy tantananay izao;
21
koa mikatsaka ny hanao ny tsara izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany fa eny imason’ny olona koa.
22
Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro; ary ankehitriny dia vao mainka mazoto kokoa aza izy noho ny haben’ny fahatokiany anareo.
23
Raha ny amin’i Titosy dia namako izy sady mpiara-miasa amiko eo aminareo; ary ireo rahalahinay dia iraky ny fiangonana izy ireo sady voninahitr’i Kristy.
24
Koa amin’izany dia asehoy aminy eo imason’ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13