bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 9
2 Corinthians 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
1
Fa ny amin’ny fahafoizam-pananana ho an’ny olona masina dia tsy misy tokony hanoratako aminareo.
2
Fa fantatro ny fahazotoanareo ary nataoko rehareha tamin’ny Makedoniana ianareo hoe: Efa vonona hatramin’iny taona lasa iny i Akaia, ary ny zotom-ponareo dia nampirisika ny maro.
3
Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao ho foana ny reharehanay ny aminareo amin’izany zavatra izany, fa mba ho vonona tanteraka ianareo araka izay voalazako.
4
Fandrao, raha toa ka hisy hiaraka amiko ny avy atỳ Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona dia ho lasa henatra ho anay izany, mba tsy hilazana hoe henatra ho anareo.
5
Noheveriko fa ilaina ny mangataka ny rahalahy hialoha lalana ahy hankany aminareo ka hanomana mialoha ny fanomezana izay efa nanomezanareo toky fa hataonareo, mba ho fanomezana noho ny fahalalahan-tanana izany fa tsy toy ny zavatra noterena hatao.
6
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely dia kely no hojinjainy; fa izay mamafy be dia be kosa no hojinjainy.
7
Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8).
8
Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
9
araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany (Sal 112.9).
10
Ary izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahamaro ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11
dia hanankarena amin’ny zavatra rehetra ianareo noho ny fahalalahan-tanana samihafa asehonareo, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra.
12
Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafa-pahasahiranana ny olona masina ihany fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa,
13
satria ny fahitana porofo ny toetranareo manao izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra, noho ny fankatoavanareo tamin’ny fanekena ny Filazantsaran’i Kristy sy noho ny fahalalahan-tanana nasehonareo taminy sy tamin’ny olona rehetra;
14
ary amin’ny vavaka ataony ho anareo dia maneho fitiavana anareo izy noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra aminareo.
15
Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay tononina.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13