bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 5
2 Corinthians 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 6 →
1
Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolay izay itoerantsika etỳ an-tany dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.
2
Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
3
fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.
4
Fa isika izay amin’izao tranolay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahina fa ny mba hotafina kosa mba hatelin’ny fiainana ny mety maty.
5
Ary izay efa nanamboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
6
Koa matoky mandrakariva isika, sady fantatsika fa raha mitoetra ao amin’ny tena isika dia mitoetra ivelany ary lavitra ny Tompo,
7
fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana;
8
eny, matoky isika ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo.
9
Koa dia ataontsika ho voninahitra ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra ao amin’ny tena isika na ivelan’ny tena.
10
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
11
Koa amin’izany, satria fantatray ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no resenay lahatra, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa.
12
Tsy midera tena aminareo akory izahay fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho etỳ ivelany ihany fa tsy amin’ny ao am-po.
13
Fa raha very saina izahay dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14
Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Maty ny olona iray hamonjy ny olona rehetra, dia maty koa izy rehetra;
15
ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16
Koa tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
17
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
18
Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19
dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20
Koa iraka solon’i Kristy izahay, toa ny hoe Andriamanitra mihitsy no mangataka anareo amin’ny alalanay hoe: Aoka ianareo hanaiky hampihavanina amin’Andriamanitra!
21
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13