bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 6
2 Corinthians 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
1
Koa satria mpiara-miasa Aminy izahay dia mangataka aminareo koa mba tsy hataonareo tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra izay noraisinareo taminay.
2
Fa hoy Izy: «Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao» (Isa 49.8). Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena.
3
Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy hanomezana tsiny ny fanompoana;
4
fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay ka manana faharetana tokoa amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana,
5
amin’ny kapoka, amin’ny fatorana, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny tsy fahitan-tory, amin’ny fifadian-kanina,
6
amin’ny fahadiovana, amin’ny fahalalana, amin’ny fahari-po, amin’ny fahamoram-panahy, amin’ny Fanahy Masina, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
7
amin’ny teny fahamarinana, amin’ny herin’Andriamanitra, amin’ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia,
8
amin’ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka nefa marina ihany;
9
tahaka ny tsy fantatra nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty nefa indro, velona ihany; tahaka ny faizina nefa tsy vonoina;
10
tahaka ny ampalahelovina nefa faly mandrakariva; tahaka ny mahantra nefa mampanankarena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza nefa manana ny zavatra rehetra.
11
Ry Korintiana, miteny tsotra aminareo izahay, malalaka ny fonay.
12
Tsy tery fo aminareo izahay fa ianareo no manidy ny fonareo.
13
Ary ho setriny mifandanja amin’izany, miteny toy ny amin’ny zanako aho, aoka mba halalaka kosa ny fonareo.
14
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?
15
Inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Inona no ifandraisan’ny mino sy ny tsy mino?
16
Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12).
17
«Koa mialà eo aminy ianareo ka misaraha aminy, hoy NY TOMPO; aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho handray anareo.
18
Ary ho Rainareo Aho, ary ho zanako lahy sy ho zanako vavy ianareo, hoy NY TOMPO Tsitoha» (Isa 52.11-12).
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13