bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 3
2 Corinthians 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 4 →
1
Moa midera tena indray va izahay? Sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho anareo, na avy aminareo?
2
Ianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra;
3
eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka anefa fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
4
Ary manana izany fahatokiana izany eo anatrehan’Andriamanitra izahay amin’ny alalan’i Kristy.
5
Kanefa tsy mihambo hanana fahafahana avy aminay izahay hihevitra na inona na inona avy amin’ny tenanay; fa ny fahafahanay dia avy amin’Andriamanitra
6
izay efa nahafahanay koa ho tonga mpanompon’ny fanekena vaovao, tsy amin’ny soratra anefa fa amin’ny Fanahy; ny soratra dia mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
7
Fa raha ny asa fanompoan’ny fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato, no nisy voninahitra ka tsy nahabanjina ny tavan’i Mosesy ny Zanak’Israely noho ny voninahitry ny tavany izay nandalo ihany,
8
tsy mainka hisy voninahitra va ny fanompoan’ny Fanahy?
9
Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana dia vao mainka hanana tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
10
Ary izay nisy voninahitra teo aza dia tsy manana voninahitra fotsiny amin’izao raha ampitahaina amin’ny voninahitra tonga lafatra.
11
Fa raha ny mandalo aza no nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra dia ho rakotra voninahitra kokoa.
12
Koa amin’izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia feno fahasahiana tokoa;
13
tsy tahaka an’i Mosesy izay nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana mba tsy hibanjinan’ny Zanak’Israely ny fiafaran’izany voninahitra nihalevona izany.
14
Fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany.
15
Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, rehefa vakina ny tenin’i Mosesy.
16
Kanefa rehefa miverina amin’ny Tompo izy dia hesorina ihany ny fisalobonana.
17
Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.
18
Fa isika rehetra kosa dia amin’ny tava tsy misarona no ibanjinantsika ny voninahitry ny Tompo, tahaka ny amin’ny fitaratra, ka ovany hitovy endrika Aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13