bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 13
2 Corinthians 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
1
Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. «Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra» (Deo 19.15).
2
Efa nambarako fahiny sady mbola milaza rahateo koa aho izao, toy ny nataoko fony teo aminareo fanindroany ihany; ary ankehitriny, raha tsy eo kosa aho fa amin’izay nanota teo aloha sy amin’ny sisa rehetra dia tsy hanam-piantrana aho rehefa tonga indray,
3
satria mitady famantarana ianareo fa miteny ato anatiko Kristy izay tsy malemy aminareo fa mahery ao aminareo kosa.
4
Fa voahombo tamin’ny hazofijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao Aminy, nefa hiara-belona Aminy ho anareo izahay noho ny herin’Andriamanitra.
5
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
6
Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7
Ary mangataka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
8
Fa tsy mahefa na inona na inona hanoherana ny marina izahay fa hampandroso ny marina kosa.
9
Fa faly izahay raha malemy fa ianareo no mahery; ary izao no vavaka ataonay, dia ny hahatanteraka anareo.
10
Izany no anoratako izany zavatra izany raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho dia voatery hiasa ho amin’ny fanorenana mafy tsy azo ravana, araka ny hery izay nomen’ny Tompo ahy ho fampandrosoana fa tsy ho fandravana.
11
Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho tanteraka, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
12
Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olona masina rehetra.
13
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13