bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 4
2 Corinthians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
1
Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy very ny fahasahianay.
2
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra ka tsy mandeha amin’ny hafetsena ratsy, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.
3
Fa raha miafina ny Filazantsara torinay dia miafina amin’izay ho very,
4
satria amin’ireny dia nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sainy tsy mino, mba tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny Filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy izay endrik’Andriamanitra.
5
Fa tsy ny tenanay no torinay fa Kristy Jesosy Tompo, ary mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy izahay.
6
Fa Andriamanitra izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, Izy no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.
7
Fa manana izao rakitra izao ao anaty vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy ho avy aminay.
8
Voageja manodidina izahay nefa tsy tery; very hevitra nefa tsy mamoy fo;
9
enjehina nefa tsy nafoy; potraka nefa tsy maty;
10
mitondra ny fahafatesan’i Jesosy hatrany ao amin’ny tena izahay mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy.
11
Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy.
12
Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay fa ny fiainana kosa no ao aminareo.
13
Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: «Nino aho ka niteny» (Sal 116.10), dia mino koa izahay ka miteny;
14
fa fantatray fa izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin’i Jesosy ka hametraka anay eo akaikiny miaraka aminareo.
15
Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro.
16
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.
17
Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe.
18
Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13