bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 11
2 Corinthians 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
1
Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ny hadalana kely ianareo, eny mandefera amiko ianareo!
2
Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotro tahaka ny virijiny madio ho an’i Kristy.
3
Fa matahotra aho, fandrao ho simba hiala amin’ny fahatsoram-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy ny sainareo, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny hafetseny.
4
Fa raha misy olona tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na mandray fanahy hafa na Filazantsara hafa noho izay noraisinareo, dia mandefitra amin’izany ianareo.
5
Fa ataoko fa tsy misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apostoly malaza ireo.
6
Fa na dia olona tsy nampianarina handaha-teny aza aho dia tsy mba tahaka izany aho amin’ny fahalalana; fa tamin’ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ny olona rehetra izany.
7
Diso va aho raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo?
8
Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
9
Fa raha teo aminareo aho ka azon’ny tsy fahampiana dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa ny rahalahy izay tonga avy tany Makedonia no nanome ahy izay nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
10
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ny tany Akaia.
11
Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
12
Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany mba tsy hahafahan’ireo mitady antony hitovizany aminay.
13
Fa apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka mampiova ny endriny ho tahaka ny apostolin’i Kristy.
14
Ary tsy mahagaga izany, fa i Satana aza dia mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.
15
Koa tsy dia zava-dehibe ho an’ny mpanompony ny mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana. Nefa ny fiafaran’izy ireo dia ho araka ny asany ihany.
16
Averiko indray: Aza misy milaza ahy ho adala; nefa, na dia misy milaza izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kely koa.
17
Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo fa toa amin’ny fahadalana amin’izao fireharehana feno fahatokiana izao.
18
Koa satria maro no mirehareha araka ny nofo dia mba hirehareha koa aho.
19
Fa sitrakareo ny mandefitra amin’ny adala satria hendry angaha ianareo!
20
Fa hay! Mandefitra ihany ianareo raha misy manandevo anareo, raha misy mandany ny fanananareo, raha misy misambotra anareo, raha misy manao fihetsika mihantsy anareo, raha misy mamely ny tavanareo.
21
Manala baraka tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’izay mahasahy ny olona dia mba sahy koa aho; eny, miteny toy ny adala aho amin’izany.
22
Hebreo va izy? Izaho koa. Israelita va izy? Izaho koa. Taranak’i Abrahama va izy? Izaho koa.
23
Mpanompon’i Kristy va izy? Miteny toy ny olona very saina aho, izaho koa dia mpanompon’i Kristy mihoatra noho izy ireo: Amin’ny fisasarana, manan-tombo; amin’ny tranomaizina, matetika kokoa; amin’ny kapoka be, efa izay tsy izy; misedra ny fahafatesana matetika.
24
Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy, inefapolo latsaka iray avy.
25
Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra tao amin’ny lalina,
26
nandeha matetika aho, saika nahita loza tamin’ny ony, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny tompon-tany namako, saika nahita loza tamin’ny Jentilisa, saika nahita loza tao amin’ny tanàna, saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany amin’ny ranomasina, saika nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka,
27
tamin’ny fisasarana sy ny fikelezana aina, tamin’ny tsy fahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
28
Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isanandro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
29
Iza no malemy ka tsy malemy aho? Iza no mahazo fanafintohinana ka tsy mirehitra anaty aho?
30
Raha tsy maintsy mirehareha aho dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
31
Andriamanitra, Rain’i Jesosy Tompo, izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
32
Tany Damaskosy ny governora notendren’i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
33
fa avy teo amin’ny varavarankely eo amin’ny manda no nampidinana ahy tamin’ny sobika ka afa-nandositra ny tanany aho.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13