bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 12
2 Corinthians 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
1
Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ny Tompo aho.
2
Mahafantatra olona iray ao amin’i Kristy aho, tokony ho efatra amby folo taona lasa izay, na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, fa ilay olona iray dia nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo.
3
Ary mahafantatra ilay olona iray aho, na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala,
4
fa nakarina ho any amin’ny Paradisa izy ka nandre teny tsy hay tenenina sady tsy azon’olombelona tononina.
5
Ilay iray no hataoko rehareha; fa ny amin’ny tenako dia tsy hirehareha aho, afa-tsy amin’ny fahalemena ihany.
6
Fa na dia te hirehareha aza aho dia tsy ho adala fa hilaza ny marina; nefa tsy hanao izany aho, fandrao hisy olona hihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.
7
Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambaràna aho dia nasiana tsilo ny nofoko; irak’i Satana hamely ahy izany, fandrao hirehareha aho.
8
Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo mba hialan’izany amiko.
9
Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
10
Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny tebiteby, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
11
Efa tonga adala aho! Ianareo no nanery ahy; fa tokony hoderainareo aho satria tsy latsaka noho ireo apostoly malaza ireo aho na dia tsinontsinona aza.
12
Ny famantarana maha apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ny faharetana isan-karazany, tamin’ny famantarana, tamin’ny asa lehibe ary tamin’ny fahagagana.
13
Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana hafa afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy amin’izany fahadisoana izany.
14
Indro, efa fanintelony izao no nivonona hankaty aminareo aho nefa tsy hahavaky tratra anareo; ary tsy ny fanananareo no tadiaviko fa ianareo. Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany.
15
Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina mba hahasoa ny fanahinareo. Koa raha mitombo ny fitiavako anareo, moa va hihena ny fitiavanareo ahy?
16
Kanefa, na izany aza, dia tsy nahavaky tratra anareo aho; fa fetsy hono aho ka tamin’ny hafetsena no nahazoako anareo!
17
Moa nisy tamin’ireo nirahiko tany aminareo va nampiasaiko hahazoako tombontsoa?
18
Nangataka an’i Titosy aho sady nirahiko niaraka taminy ilay rahalahy. Moa naka vola aman-karena taminareo va i Titosy? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va ny dianay?
19
Efa ela izay no niheveranareo fa miaro tena eo aminareo izahay. Eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
20
Fa matahotra aho, fandrao rehefa tonga aho dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo no hahitanareo ahy; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fifosana, fieboeboana, fikitranana;
21
eny, fandrao rehefa tonga indray aho dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary halahelo ny maro izay nanota teo aloha aho, dia ireo izay tsy mbola nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fanaranam-po nataony.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13