bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 2
2 Corinthians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 3 →
1
Ny sitrapoko dia ny tsy hiverenako any aminareo indray amin’alahelo.
2
Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3
Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao rehefa tonga aho dia hahazo alahelo amin’izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4
Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo manokana.
5
Fa raha nisy nahatonga alahelo dia tsy izaho no nampalaheloviny fa ianareo rehetra, nefa mba tsy ho tafahoatra loatra ny teniko, dia ny sasany aminareo.
6
Ampy ho an’izany olona izany ny fampijaliana nataon’ny maro,
7
koa aleo kosa ianareo mamela heloka sy mampifaly azy, fandrao dia kivin’ny alahelo tafahoatra izany olona izany.
8
Koa mananatra anareo aho mba hekenareo ny handray azy tsara amin’ny fitiavana.
9
Fa izany koa no nanoratako mba ho fantatro izay toetranareo, na mankatò amin’ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
10
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’i Kristy,
11
fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny teti-dratsiny.
12
Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny Filazantsaran’i Kristy aho ka novohana varavarana ao amin’ny Tompo
13
dia tsy tafandry mandry aho satria tsy nahita an’i Titosy rahalahiko; ary nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
14
Fa isaorana anie Andriamanitra izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy ka ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
15
Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay hovonjena sy izay ho very:
16
Amin’ny sasany dia hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’izany zavatra izany?
17
Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra, sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13