bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Corinthians 7
2 Corinthians 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 8 →
1
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
2
Asio toerana ho anay ny fonareo! Tsy nanao izay tsy marina tamin’olona izahay, tsy nanimba fiainan’olona izahay, tsy nanambaka olona izahay.
3
Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo koa fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika.
4
Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady feno hafaliana indrindra ao anatin’ny fahoriana rehetra manjo anay.
5
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay dia tsy nisy niainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra izahay: Teo ivelany, ady; tao anatiny, tahotra.
6
Fa Andriamanitra izay mampionona ny mpandefitra no efa nampionona anay tamin’ny nahatongavan’i Titosy,
7
ary tsy tamin’ny nahatongavany ihany fa tamin’ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo ary ny hafanam-ponareo amiko hanaiky ahy; koa vao mainka nitombo ny hafaliako.
8
Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ny epistily aza aho dia tsy manenina intsony, na dia efa nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany.
9
Mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo fa noho ny nampalahelovana anareo ka nibebahanareo; fa nampalahelovina araka an’Andriamanitra ianareo ka tsy hisy na inona na inona avy aminay hitondra fahavoazana ho anareo.
10
Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga fibebahana ho famonjena tsy anenenana; fa mahatonga fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao.
11
Eny, indro izany nampalahelovana anareo araka an’Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana fatratra tao aminareo! Eny, fialan-tsiny manao ahoana! Fahatezerana manao ahoana! Fahatahorana manao ahoana! Faniriana manao ahoana! Hafanam-po manao ahoana! Famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin’izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’izany raharaha izany ianareo.
12
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho dia tsy noho izay nahavita ny tsy marina, na noho izay niaritra ny tsy marina, fa mba hanehoana aminareo eo anatrehan’Andriamanitra ny hafanam-ponareo aminay.
13
Ary noho izany dia nionona izahay. Ary tamin’ny fampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian’i Titosy, fa efa namelombelona ny fanahiny ianareo rehetra.
14
Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina ny zavatra rehetra taminareo dia tonga marina koa ny reharehanay tamin’i Titosy ny aminareo.
15
Ary vao mainka miraiki-po aminareo aza izy raha mahatsiaro ny fankatoavanareo rehetra, dia ny haben’ny fahatahorana sy fanajana nandraisanareo azy.
16
Faly aho fa afaka matoky anareo amin’ny zavatra rehetra.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13