bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 10
Hebrews 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
1
Eny, ny lalàna dia mitondra aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ireny. Ny lalàna dia tsy mahatonga ho tanteraka ny olona izay manatona ka mitondra fanatitra atolotra tsy tapaka isan-taona.
2
Fa raha tsy izany dia tsy ho nitsahatra va ireny fanolorana fanatitra ireny ka ireo izay mandray anjara amin’izany fanompoam-pivavahana izany dia ho efa voadio indray mandeha ary tsy henjehin’ny fieritreretany ny amin’ny fahotany intsony?
3
Kanefa amin’ireny fanatitra ireny dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4
Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.
5
Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Tsy mba nilainao ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, fa tena no namboarinao ho Ahy;
6
Tsy sitrakao ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota;
7
dia hoy Aho: Inty Aho tonga, ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy, hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô» (Sal 40.6-8).
8
Rehefa voalaza taloha hoe: Tsy ilainao ary tsy sitrakao ny fanatitra alatsa-dra, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra noho ny ota, dia ireny atolotra araka ny lalàna ireny,
9
dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10
Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny tenan’i Kristy indray mandeha monja ho fanatitra.
11
Ny mpisorona rehetra dia mitsangana isanandro manao fanompoam-pivavahana sy manolotra ireny fanatitra ireny ihany matetika, saingy tsy mahaisotra ny ota ireny;
12
fa Izy kosa, rehefa avy nanolotra fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
13
Koa hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14
Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
15
Manambara izany amintsika koa ny Fanahy Masina; fa rehefa voalazany hoe:
16
«Izao no fanekena hataoko aminy rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao am-pony ny lalànako sady hosoratako ao an-tsainy;
17
ny fahotany sy ny helony dia tsy hotsarovako intsony» (Jer 31.33-34).
18
Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19
Koa amin’izany, ry rahalahy, dia manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy,
20
amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namakivaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony izany,
21
sady manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra isika.
22
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
23
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
24
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.
25
Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
26
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27
fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28
Izay manohitra ny lalànan’i Mosesy dia maty amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo.
29
Manao ahoana kosa ary, araka ny hevitrareo, ny hamafin’ny fampijaliana tokony hihatra amin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ny fahasoavana?
30
Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36).
31
Zavatra mahatahotra no ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona.
32
Fa tsarovy ny andro fahiny izay niaretanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana rehefa nandray ny mazava ianareo;
33
indraindray dia natao ho faneso noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa dia tonga naman’izay azon’izany.
34
Fa sady niara-niaritra tamin’izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
35
Koa aza manary ny fahatokianareo izay misy valisoa lehibe.
36
Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
37
Fa «rehefa afaka fotoana kelikely dia ho tonga ilay ho avy fa tsy hitaredretra».
38
Ary «ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; fa raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko» (Hab 2.3-4).
39
Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13