bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 2
Hebrews 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 3 →
1
Ary amin’izany dia tsy maintsy hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
2
Fa raha tanteraka ny teny izay nampilazaina ny anjely ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana
3
dia hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika, dia ny famonjena izay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary izay nandre dia nanamafy izany tamintsika kosa,
4
sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samihafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
5
Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
6
Fa nisy iray nanambara eo amin’ny teny iray hoe: «Inona ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona no amangianao azy?
7
Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy;
8
ny zavatra rehetra dia efa nampanekenao ho eo ambanin’ny tongony» (Sal 8.4-6). Fa tamin’ny nampanekeny Azy ny zavatra rehetra dia tsy nisy izay tsy nampanekeny Azy. Nefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika fa efa ampanekena Azy ny zavatra rehetra.
9
Fa ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy mba hanandrana ny fahafatesana hoenti-mamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
10
Fa Andriamanitra no anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra. Rehefa mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra Izy dia tandrify Azy ny hitondra ny Tompon’ny famonjena azy ireo ho amin’ny fahatanterahana amin’ny alalan’ny fahoriana.
11
Fa iray ihany no niavian’izy roa, na izay manamasina, na ireo izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hiantso ireo hoe rahalahy,
12
raha hoy Izy hoe: «Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao» (Sal 22.22).
13
Ary koa: «Raha Izaho dia hametraka fitokisana Aminy Aho». Ary izao koa: «Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra Ahy.» (Isa 8.17-18)
14
Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza dia mba nandray izany koa Izy mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly,
15
ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
16
Fa hita marina fa tsy anjely fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny.
17
Koa amin’izany dia mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
18
Fa satria nalaim-panahy tamin’ny fahoriana noentiny ny tenany dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13