bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 9
Hebrews 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
1
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nanana fitsipika ny amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitoerany masina etỳ an-tany.
2
Fa nisy tabernakely voavoatra: Ny efitra voalohany dia ilay atao hoe ny fitoerana masina izay nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra ary ny mofo atao fanatitra.
3
Tao ambadiky ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe ny fitoerana masina indrindra.
4
Tao no nisy alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny vata misy ny Fanekena izay voapetaka takelaka volamena manontolo; ary tao anatin’io no nisy ny vilany volamena izay nisy ny mana sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka ary ny vato fisaky ny Fanekena;
5
ary teo ambonin’io koa ny kerobima misy voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana; tsy ho voalaza tsirairay ny amin’ireo ankehitriny.
6
Rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo dia miditra eo amin’ny tabernakely voalohany hatrany ny mpisorona hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana.
7
Fa ny faharoa kosa no idiran’ny Mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra raha tsy mitondra ra izay atolony noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsy fahalalana;
8
koa izany no anambaran’ny Fanahy Masina fa mbola tsy voaseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
9
fanoharana ho amin’izao andro ankehitriny izao izany, ary araka izay no anolorana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretany,
10
fa momba ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina ary ny fisasana samihafa, dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-piavin’ny fotoana fanavaozana izany.
11
Fa Kristy kosa, tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy. Namakivaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra izay tsy nataon-tanana Izy; izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao.
12
Niditra indray mandeha monja tao amin’ny fitoerana masina Izy, nefa tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany dia ampy ahazoana fanavotana mandrakizay ho antsika.
13
Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenon’ny vantotra ombivavy afafy amin’izay voaloto no manamasina ka manadio ny nofo,
14
mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.
15
Ary noho izany dia mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany; izany dia mba hahazoan’izay voaantso ny teny fikasana ny amin’ny lova mandrakizay.
16
Fa raha misy didim-pananana dia ilaina ny hahafantarana ny fahafatesan’ilay nanao ny fanekena.
17
Fa manan-kery ny didim-pananana rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy manan-kery kosa izany raha mbola velona ilay nanao azy.
18
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy ra.
19
Fa rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna dia nalainy ny ran’ny zanak’omby sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano sy ny volon’ondry jaky ary ny hisopa ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20
dia hoy izy: «Ity no ran’ny fanekena izay nandidian’Andriamanitra anareo» (Eks 24.8).
21
Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa.
22
Saiky diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.
23
Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ireny ny tandindon’ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’izay fanatitra tsara noho ireny.
24
Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa mankany an-danitra mihitsy; ary ankehitriny Izy dia miseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika;
25
ary tsy niditra Izy mba hanolotra ny tenany matetika, tahaka ny Mpisoronabe miditra ao amin’ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran’ny zavatra hafa;
26
fa raha izany dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanolorany ny tenany.
27
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, koa rehefa afaka izany dia hisy fitsarana,
28
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, fa ho famonjena kosa amin’izay miandry Azy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13