bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 11
Hebrews 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
1
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2
Fa izany no nahatsara laza ny Mpino taloha.
3
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao ka tsy izay zavatra hita maso no nanaovana izao zavatra hita izao.
4
Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina ka izany no nanambaràna azy fa marina satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony. Ary amin’izany, na dia maty aza izy dia mbola miteny ihany.
5
Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; koa dia tsy hita izy satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
6
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7
Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hita; koa izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8
Finoana no naneken’i Abrahama rehefa nantsoina hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; dia niainga izy na dia tsy fantany aza izay halehany.
9
Finoana no nivahinianany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin-dry Isaka sy i Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
10
fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy ka Andriamanitra no tompo-marika sy mpanao izany.
11
Ary na i Saraha aza dia finoana koa no nandraisany hery hanana anaka rehefa nitsaha-jaza izy satria nataony fa mahatoky ilay efa nanome ny teny fikasana.
12
Koa avy tamin’ny iray, izay efa toy ny maty, no niavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina izay tsy hita isa.
13
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa mbola tsy nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.
14
Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15
Ary raha toa ka nahatsiaro ny tany nialany izy dia ho nahita fotoana hiverenany.
16
Fa amin’izany dia ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra. Ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy.
17
Finoana no nanoloran’i Abrahama an’Isaka raha nozahan-toetra izy; eny, ny zanany lahitokana no natolotr’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18
dia ilay nilazana hoe: «Avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao» (Gen 21.12).
19
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana na dia ny maty aza; ary ohatry ny avy tamin’izany no nandraisany azy.
20
Finoana no nitsofan’Isaka rano an’i Jakoba sy i Esao ny amin’ny zavatra ho avy.
21
Finoana no nitsofan’i Jakoba rano ny zanak’i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, sady nivavaka izy no niankina tamin’ny lohan’ny tehiny.
22
Finoana no nilazan’i Josefa ny fialan’ny Zanak’Israely, rehefa ho faty izy, ary ny nanafarany ny amin’ny taolany.
23
Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka.
24
Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao rehefa lehibe izy;
25
nifidy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra mantsy izy toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana;
26
nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, satria nijery lavitra ny valisoa izy.
27
Finoana no nandaozany an’i Ejipta ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita izay tsy hita izy.
28
Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny ra, fandrao hamono izay lahimatoa Israelita ilay mpandringana.
29
Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, fa mba nandraman’ny Ejiptiana izany ka voatelina ireo.
30
Finoana no nampirodana ny mandan’i Jeriko rehefa nohodidinina hafitoana.
31
Finoana no tsy nahafaty an’i Rahaba janga niaraka tamin’ireo tsy mpino satria nandray ny mpisafo tany tamin’ny fihavanana izy.
32
Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro raha milaza ny amin’i Gideona sy i Baraka ary i Samsona sy i Jefta aho, ary koa i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany,
33
izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa tamin’ny fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona,
34
namono ny afo midedadeda, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nohatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady ka nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.
35
Nisy vehivavy nandray ny azy efa maty, tamin’ny fananganana azy ho velona indray; nampijalijaliana ho faty ny sasany, nefa tsy nety nanao izay hahafahany mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
36
ary ny sasany dia niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37
notoraham-bato izy, notsofàna, nampijaliana, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; tsy nanana na inona na inona, ory, fadiranovana;
38
nefa izao tontolo izao dia tsy mendrika ho nitoerany akory; nirenireny tany an-tany efitra izy, tany an-tendrombohitra, tany an-johy ary tany an-dava-tany.
39
Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana;
40
fa Andriamanitra efa nanamboatra izay tsara lavitra ho antsika mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa eo koa isika.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13