bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 13
Hebrews 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
1
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2
Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
3
Tsarovy izay mifatotra ka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampijalina satria manana vatana mety mijaly koa ianareo.
4
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
5
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
6
Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
7
Tsarovy ny mpitondra anareo izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany ka araho ny finoany.
8
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
9
Aza mety avilin’ny fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo fa tsy amin’ny hanina izay tsy mahasoa akory ny mahavatra azy.
10
Isika manana alitara izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11
Fa rehefa noentin’ny Mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny.
12
Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany.
13
Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby ka hitondra ny latsa izay noentiny.
14
Fa tsy manana tanàna maharitra isika etỳ fa mitady ny ho avy.
15
Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16
Fa aza manadino hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.
17
Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
18
Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.
19
Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho mba hampidina ahy haingankaingana kokoa ho atỳ aminareo.
20
Ary Andriamanitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay,
21
Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
22
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, aoka ianareo hahazaka izao teny fananarana izao; fa efa nanoratra epistily fohifohy ho anareo ihany aho.
23
Aoka ho fantatrareo fa efa afaka i Timoty rahalahintsika; koa raha tonga haingana izy dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
24
Mampamangy any amin’izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay any Italia dia manao veloma anareo.
25
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana! Amena!
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13