bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 8
Hebrews 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
1
Amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia ilay mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra
2
ka manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely izay naorin’ny Tompo fa tsy nataon’olombelona.
3
Fa ny Mpisoronabe rehetra dia tendrena hanolotra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.
4
Koa raha etỳ ambonin’ny tany Izy dia tsy mba ho mpisorona akory satria efa misy rahateo ireo manolotra ny fanomezana araka ny lalàna,
5
dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: «Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra» (Eks 25.40).
6
Fa ankehitriny dia fanompoana ambony lavitra noho ny an’ireny ny Azy, dia araka ny nanaovana Azy ho mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra.
7
Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany dia tsy mba nilaina hotadiavina ny fanekena faharoa.
8
Fa manome tsiny ny olona Izy hoe: «Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda,
9
nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny, ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO.
10
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.
11
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy ka hiteny hoe: Mahalalà NY TOMPO! Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra;
12
fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31.31-34).
13
Rehefa milaza izy hoe vaovao dia noheveriny fa efa ela ny fanekena voalohany. Fa izay tratra ela sy mihaantitra dia efa madiva ho levona.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13