bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 5
Hebrews 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 6 →
1
Fa ny Mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanolotra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota.
2
Izy dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ny fahalemena ihany;
3
ary noho izany dia tsy maintsy hanolotra fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.
4
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’i Arona.
5
Dia toy izany koa Kristy: Tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe fa Ilay niteny taminy hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7).
6
Ary toy ny lazainy eo amin’ny teny hafa koa hoe: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka» (Sal 110.4).
7
Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana niaraka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, ary nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
8
dia nianatra fankatoavana tamin’izay fahoriana noentiny Izy, na dia Zanaka aza.
9
Ary rehefa nahatanteraka izany Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankatò Azy
10
ka nambaran’Andriamanitra hoe Mpisoronabe araka ny fomban’i Melkizedeka.
11
Ny amin’izany dia manana teny maro sady sarotra hazavaina izahay satria lalodalovana ny sofinareo.
12
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fotoana efa ela dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary ianareo dia mbola toy izay tokony homen-dronono fa tsy ventin-kanina.
13
Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana satria mbola zazabodo.
14
Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13