bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 7
Hebrews 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 8 →
1
Fa io Melkizedeka io dia mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitsodrano azy
2
sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza. Raha adika ny anarany, ny heviny voalohany dia mpanjakan’ny fahamarinana aloha, izay vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana.
3
Izy dia tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana andro niandohana na fiafaran’ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra ary mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
4
Hevero ny halehiben’io lehilahy io izay nomen’i Abrahama patriarka ny ampahafolon’izay tsara tamin’ny zavatra nobaboiny.
5
Ary izay avy tamin’ny taranak’i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolonkarena amin’ny olona araka ny lalàna, dia amin’ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’i Abrahama aza ireny;
6
izay tsy isan’ny firazanan’ireo akory no nandray ny fahafolonkarena tamin’i Abrahama sy nitsodrano ilay nanana ny teny fikasana.
7
Tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tsodrano amin’ny lehibe noho ny tenany.
8
Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolonkarena, fa any kosa dia izay ambara fa velona.
9
Ary azo lazaina aza fa i Levy, izay mandray ny fahafolonkarena, dia mba nandoa ny fahafolonkarena koa tao anatin’i Abrahama,
10
satria mbola tao an-kibon’ny rainy ihany izy tamin’ny nitsenan’i Melkizedaka an’i Abrahama.
11
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ny fisoronan’i Levy, fa tamin’izany no nahazoan’ny olona ny lalàna, ahoana no mbola ilàna mpisorona hafa hiseho araka ny fomban’i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina araka ny fomban’i Arona?
12
Fa raha ovana ny fisoronana dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13
Fa izay nolazaina amin’izany teny izany dia avy tamin’ny firenena hafa izay tsy nisy olona nanompo teo amin’ny alitara.
14
Fa hita marimarina fa avy tamin’i Joda no nisehoan’ny Tompontsika, ary izany foko izany dia tsy nisy nolazain’i Mosesy akory rehefa niteny ny amin’izay ho mpisorona izy.
15
Ary vao mainka hita mazava kokoa indray izany raha misy mpisorona hafa miseho ka tahaka an’i Melkizedeka
16
izay natao tsy araka ny lalànan’izay didy araka ny nofo fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana.
17
Fa izao no nambara ny Aminy: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka» (Sal 110.4).
18
Eny, foana ny didy teo aloha noho ny halemeny sy noho izy tsy nahasoa,
19
fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona, ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra.
20
Ary tahaka an’i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ny fianianana,
21
nefa ny hafa dia natao mpisorona tsy tamin’ny fianianana, fa Izy kosa dia tamin’ny fianianana nataon’ilay nilaza taminy hoe: «Efa nianiana NY TOMPO ka tsy hanenina: Ianao no mpisorona mandrakizay» (Sal 110.4).
22
Dia tahaka izany no nanaovana an’i Jesosy ho mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23
Fa natao maro ireny mpisorona ireny satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra izy;
24
fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana satria maharitra mandrakizay Izy;
25
koa amin’izany dia mahavonjy tanteraka izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
26
Fa Mpisoronabe tahaka izany no mendrika ho antsika: Dia izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, miavaka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra.
27
Izy dia tsy mila hanolotra fanatitra isanandro tahaka ny ataon’ireny Mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, vao noho ny an’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanolotra ny tenany Izy.
28
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho Mpisoronabe; fa ny tenin’ny fianianana kosa, izay tato aorianan’ny lalàna, dia manendry ny Zanaka izay tonga amin’ny fahatanterahana mandrakizay.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13