bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 12
Hebrews 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
1
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
2
mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
3
Fa hevero tsara ilay niaritra ny fanoherana nataon’ny mpanota Taminy, fandrao ho ketraka ianareo ka ho reraka ny fanahinareo.
4
Ianareo dia mbola tsy nanohitra niady tamin’ny ota hatramin’ny fahalatsahan-dra.
5
Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: «Anaka, aza atao ho zavatra kely ny fanitsiana ataon’NY TOMPO, ary aza reraka raha anariny;
6
fa izay tian’NY TOMPO no ahitsiny ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny» (Oha 3.11-12).
7
Fanitsiana no anton’ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo toy ny zanaka; fa iza moa no zanaka tsy ahitsin’ny rainy?
8
Fa raha tsy ahitsy tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo dia zazasary fa tsy zanaka.
9
Ary isika koa dia nanana ny raintsika ara-nofo ho mpanitsy antsika, ary nanaja azy isika; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy ka ho velona isika?
10
Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany.
11
Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.
12
Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy;
13
ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa.
14
Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
16
fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava.
17
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza.
18
Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra,
19
na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
20
fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: «Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra dia hotoraham-bato izany» (Eks 19.12-13),
21
ary satria mampahatahotra ny fahitana, dia hoy i Mosesy: «Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho» (Deo 9.19).
22
Fa ianareo kosa dia efa tonga eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina,
23
amin’ny fihaonam-pifaliana sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka,
24
sy amin’i Jesosy, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela.
25
Tandremo mba tsy holavinareo izay miteny. Fa raha izy ireo dia tsy afa-nandositra tamin’ny nandavany ilay nilaza ny tenin’Andriamanitra taminy tetỳ ambonin’ny tany, mainka fa isika, raha miodina miala amin’ilay avy any an-danitra,
26
izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin’ny feony; fa ankehitriny dia efa nanao teny fikasana Izy hoe: «Indray maka indray dia tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa» (Hag 2.6).
27
Ary ny hoe indray maka indray dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan’izay zavatra tsy ampihorohoroina.
28
Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika dia aoka isika hanana fahasoavana hoentintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana;
29
fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo 4.24).
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13