bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 3
Hebrews 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 4 →
1
Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, diniho tsara ny Apostoly sy ny Mpisoronabe izay ekentsika, dia Jesosy
2
izay mahatoky eo anatrehan’ny nanendry Azy, tahaka an’i Mosesy koa tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo.
3
Fa Izy dia natao mendrika hanam-boninahitra noho i Mosesy, araka ny ananan’ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4
Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
5
Ary i Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, mba ho vavolombelona hanambara izay zavatra mbola holazaina;
6
fa Kristy kosa dia Zanaka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiana sy firavoravoana ateraky ny fanantenana.
7
Koa araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo
8
dia aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an-tany efitra,
9
izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy tamin’ny nizahany toetra Ahy, nefa dia nahita ny asako efapolo taona izy.
10
Koa tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny lalako.
11
Izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.7-11).
12
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.
13
Fa mifananara isanandro raha mbola atao hoe Anio, fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.
14
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika hatramin’ny farany;
15
raha lazaina hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana» (Sal 95.7-8).
16
Fa iza moa no nahatezitra Azy rehefa nandre? Tsy izay rehetra noentin’i Mosesy niala tany Ejipta va?
17
Ary iza no nahatezitra Azy efapolo taona? Tsy izay nanota va, dia ireo niampatrampatra tany an-tany efitra ny fatiny?
18
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
19
Dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsy finoany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13