bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 4
Hebrews 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
1
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ny fitsaharany aza isika dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2
Fa isika koa dia nitoriana Filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy satria tsy nitondra finoana tao amin’izay nandre azy.
3
Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: «Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.11), na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny iray, araka izao: «Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito» (Gen 2.3).
5
Ary amin’izao teny manaraka izao koa: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy!
6
Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana Filazantsara tamin’ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsy finoany,
7
dia mametra andro iray indray Izy, na dia efa ela taorianan’izany aza, milaza amin’ny alalan’i Davida hoe: Anio, araka ny voalaza teo hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo» (Sal 95.7-8).
8
Fa raha i Josoa no nanome azy fitsaharana dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorianan’izany.
9
Koa dia mbola misy Sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.
10
Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy.
11
Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka izany koa.
12
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
13
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
14
Koa satria manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namakivaky ny lanitra isika, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka hihazona ilay efa nekentsika isika.
15
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13