bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hebrews 6
Hebrews 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
1
Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra,
2
ary fampianarana ny amin’ny batisa sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
3
Izany no hataontsika raha avelan’Andriamanitra.
4
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
5
ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy,
6
nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manala-baraka Azy.
7
Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona nambolena azy dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra;
8
fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana.
9
Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
11
Mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany,
12
mba tsy ho ketraka ianareo fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.
13
Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy
14
ka niteny hoe: «Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao» (Gen 22.17).
15
Ary araka izany, rehefa naharitra tsara i Abrahama dia nahazo izay nampanantenain’ny teny fikasana.
16
Fa ny olona dia mianiana amin’izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny ka hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17
Ary amin’izany, mainka fa raha Andriamanitra ta haneho ny tsy fiovan’ny sitrapony amin’ny mpandova araka ny teny fikasana, dia nataony mafy orina tamin’ny fianianana izany,
18
mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no sady hahazoantsika fampirisihana mafy, dia isika izay nitady fialofana amin’ny fihazonana ny fanantenana napetraka eo anoloantsika.
19
Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
20
tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha lalana antsika, rehefa tonga Mpisoronabe mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka Izy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13