bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 10
Mark 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 11 →
1
Ary niainga niala teo Jesosy dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia sy tany andafin’i Jordana. Ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo Aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy ireo indray Izy.
2
Ary nisy Fariseo maromaro nanatona Azy ka naka fanahy Azy sy nanontany hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy?
3
Ary Izy namaly azy ireo hoe: Inona no nandidian’i Mosesy anareo?
4
Dia hoy ireo: Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisaotra ny vadiny (Deo 24.1).
5
Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
6
Fa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona (Gen 1.27).
7
«Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny,
8
dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany.
9
Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
10
Ary rehefa tonga tao an-trano dia nanontany ny amin’izany koa ny mpianatra.
11
Dia hoy Izy taminy: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga eo anatrehan’ilay voalohany izy.
12
Ary raha ny vehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa dia mijangajanga izy.
13
Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny.
14
Kanefa tezitra Jesosy raha nahita izany ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
15
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy akory.
16
Ary nitrotro azy Izy dia nametra-tanana taminy ka nitsodrano azy.
17
Rehefa teny an-dalana Jesosy dia nisy olona iray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?
18
Hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no lazainao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19
Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17).
20
Ary hoy izy taminy: Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa notandremako hatramin’ny fahazazako.
21
Ary Jesosy nijery azy tsara dia tia azy ka niteny taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao: Mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao. Ary avia hanaraka Ahy.
22
Dia nanjombona ny tarehiny noho izany teny izany ka niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be.
23
Ary Jesosy nijery manodidina ka niteny tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny fidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
24
Dia gaga tamin’ny teniny ny mpianatra. Fa hoy indray Jesosy taminy: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
25
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny manankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
26
Dia talanjona indrindra izy ireo ka nifampiresaka hoe: Iza indray ary no azo hovonjena?
27
Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
28
Ary hoy Petera taminy: Indro, efa nahafoy ny zavatra rehetra izahay ka nanaraka Anao.
29
Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany noho ny Amiko sy ny Filazantsara,
30
ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31
Nefa maro izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany.
32
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
33
ka niteny hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’Olona dia hatolotra ho amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy mpanoradalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny Jentilisa;
34
ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.
35
Ary nanatona an’i Jesosy i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay hataonao aminay izay mba angatahinay Aminao.
36
Dia hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37
Hoy izy mirahalahy Taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay any amin’ny voninahitrao, koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.
38
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay isotroako, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
39
Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany;
40
fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy anjarako ny hanome izany fa natao ho an’ireo izay nanamboarana azy izany.
41
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra noho ny nataon’i Jakoba sy i Jaona.
42
Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny Jentilisa ho mpanapaka aminy dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia manapaka aminy.
43
Fa tsy mba toy izany aminareo. Fa na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy.
44
Ary na iza na iza no te ho ambony eo aminareo dia ho mpanompon’izy rehetra izy.
45
Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
46
Ary tonga tao Jeriko izy ireo. Ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka dia nisy jamba mpangataka nipetraka teo amoron-dalana, i Bartimeo, zanak’i Timeo.
47
Nony reny fa injay Jesosy avy any Nazareta dia niantso mafy izy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48
Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
49
Dia nijanona Jesosy ka niteny hoe: Antsoy ilay jamba. Ary niantso azy ny olona ka niteny taminy hoe: Matokia, mitsangàna fa miantso anao Izy.
50
Dia navelany teo ny akanjony ivelany ka niantsambotra nankeo amin’i Jesosy izy.
51
Ary Jesosy niteny taminy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Dia hoy ilay jamba taminy: Rabonỳ, ny mba hampahiratana ny masoko!
52
Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16