bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 11
Mark 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 12 →
1
Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema ho any Betifaga sy Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra Oliva izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Jesosy
2
ka niteny tamin’izy ireo hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, avy hatrany dia hahita zana-boriky iray mifatotra izay mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento etỳ.
3
Ary raha misy olona miteny aminareo hoe: Nahoana ianareo no manao izao? Dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy. Dia havelany hoentina etỳ miaraka amin’izay izy io.
4
Dia nandeha izy ireo ka nahita zana-boriky nifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana teo an-dalana, dia novahany.
5
Ary ny olona sasany teo dia niteny tamin’izy ireo hoe: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
6
Dia nilaza taminy araka izay nolazain’i Jesosy taminy izy ireo ka navelan’ny olona handeha.
7
Dia noentiny teo amin’i Jesosy ilay zana-boriky ka nataon’ireo teo amboniny ny lambany; dia nitaingina azy Jesosy.
8
Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ny an’ny sasany kosa dia rantsan-kazo izay notapahiny tany an-tsaha.
9
Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aorianany dia samy niantso hoe: « Hosana! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO!
10
Hotahina anie ity fanjakana izay avy ity, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra!» (Sal 118.26)
11
Ary Jesosy niditra tao Jerosalema ka nankao amin’ny tempoly; ary rehefa nijery ny zavatra rehetra manodidina Izy, sady efa hariva ny andro tamin’izay, dia niala Izy mbamin’ny roa amby folo lahy ka nankany Betania.
12
Nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania Jesosy, dia nahatsiaro noana.
13
Ary nahatsinjo hazo aviavy mandravina iray terỳ lavidavitra Izy dia nankeo, sao mba hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany, fa mbola tsy fotoana famoazan’ny aviavy.
14
Hoy Jesosy taminy: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay! Ary nahare izany ny mpianany.
15
Ary tonga tany Jerosalema izy ireo dia niditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy tao amin’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala.
16
Ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamakivaky ny kianjan’ny tempoly.
17
Dia nampianatra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy izao va no voasoratra: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? (Isa 56.7) Fa ianareo kosa dia nanao azy ho «zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
18
Rehefa nahare izany ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy ireo, satria ny vahoaka rehetra dia talanjona noho ny fampianarany.
19
Ary isan-kariva dia niala nankany ivelan’ny tanàna Jesosy sy ny mpianany.
20
Nony maraina ny andro, raha nandalo izy ireo, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fotony ilay hazo aviavy.
21
Ary nahatsiahy i Petera ka niteny Taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay hazo aviavy nozoninao.
22
Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianatra: Manàna finoana an’Andriamanitra ianareo.
23
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na iza na iza no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina, ary tsy miahanahana ao am-pony fa mino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
24
Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo dia minoa fa efa nandray ianareo ary ho azonareo izany.
25
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo ka misy olona anananareo alahelo dia mamelà ny helony mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo.
26
Fa raha tsy mamela heloka ianareo dia tsy hamela ny helokareo kosa ny Rainareo izay any an-danitra.
27
Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo; ary raha nitsangantsangana tao amin’ny tempoly Jesosy dia nanatona Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona
28
ka niteny Taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany ka anaovanao izao zavatra izao?
29
Fa hoy Jesosy tamin’izy ireo: Hanontany anareo zavatra tokana kosa Aho ka valio dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
30
Ny batisan’i Jaona, avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Valionareo Aho.
31
Ary izy ireo nikaon-doha ka niteny hoe: Raha lazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
32
Fa holazaintsika va hoe: Avy tamin’ny olona va? Natahotra ny olona izy ireo, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa i Jaona.
33
Dia namaly an’i Jesosy izy ireo hoe: Tsy fantatray. Hoy Jesosy taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16