bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 7
Mark 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 8 →
1
Ary nivory teo Aminy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna sasany izay avy tany Jerosalema
2
ka nahita ny mpianany sasany misakafo tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
3
Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra dia tsy mba misakafo raha tsy efa manasa tsara ny tanany, satria mitana ny fampianarana napetraky ny razana izy.
4
Ary raha avy any an-tsena izy dia tsy misakafo raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro hafa koa izay noraisiny ka nofikiriny, dia ny manasa kaopy sy siny, mbamin’izay lovia varahina.
5
Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana napetraky ny razana fa misakafo amin’ny tanana tsy voasasa?
6
Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy.
7
Koa foana ny ivavahan’ireo Amiko raha mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy» (Isa. 29.13).
8
Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo ka mifikitra amin’ny fomba napetraky ny olona.
9
Ary hoy koa Izy taminy: Hay, tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana napetraka ho anareo!
10
Fa hoy Mosesy: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).
11
Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana tokony ho anao avy amiko,
12
dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy
13
koa foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana napetraka ho anareo, izay nasainareo hotandremana. Ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo.
14
Ary niantso ny vahoaka hankeo Aminy indray Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka fantaro.
15
Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
16
Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
17
Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano iray dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany.
18
Ary hoy Izy taminy: Hay! Ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy?
19
Satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin’ny toeram-pivoahana. Izany no nolazainy mba hampadio ny sakafo rehetra.
20
Ary hoy koa Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany, no mahaloto azy.
21
Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona,
22
ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana.
23
Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.
24
Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisintanin’i Tiro sy i Sidona. Dia niditra tao amin’ny trano iray Izy, ary tsy tiany ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy afaka niery Izy.
25
Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray izay azom-panahy maloto ny zanany vavy kely; nandre ny Aminy izy ka tonga niankohoka teo amin’ny tongony.
26
Jentilisa Ravehivavy, avy amin’ny firenena siro-foinikiana. Nangataka Taminy izy mba handroaka ny demonia amin’ny zanany vavy.
27
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely.
28
Fa namaly Azy Ravehivavy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboa kely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany.
29
Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany dia mandehana ianao; efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demonia.
30
Ary rehefa tonga tany an-tranony Ravehivavy dia hitany nandry teo ambonin’ny farafara ny zanany vavy, ary ny demonia dia efa niala taminy.
31
Ary niala indray avy tamin’ny faritanin’i Tiro Jesosy dia namakivaky an’i Sidona sy ny faritanin’i Dekapolisy ka nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia.
32
Ary nisy marenina sady raiki-dela iray noentin’olona teo Aminy ka niangavy Azy izy ireo mba hametra-tanana aminy.
33
Ary nitondra an-dRalehilahy niala kely ny vahoaka Izy dia nangarona ny sofiny tamin’ny rantsantanany, dia nandrora ka nikasika ny lelany;
34
ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia!
35
Dia nalady ny sofiny sady voavaha ny fatoran’ny lelany ka afaka niteny tsara izy.
36
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
37
Dia talanjona indrindra ny olona ka niteny hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16