bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 3
Mark 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
1
Ary niditra tao amin’ny sinagoga indray Jesosy. Ary indro, nisy lehilahy iray maty tanana tao.
2
Ary nijery izay ho fihetsiny ny olona, na hanasitrana an’ilay marary amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy.
3
Dia hoy Jesosy tamin’ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
4
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: Inona moa no tokony hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va sa ny mamono? Fa tsy nisy niteny ny olona.
5
Ary nibanjina azy ireo tamim-pahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony ka hoy Izy tamin-dRalehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ka sitrana ny tanany.
6
Ary niala tao amin’ny sinagoga ny Fariseo ka avy hatrany dia nikaon-doha niaraka tamin’ny Herodiana hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy.
7
Ary niala teo Jesosy mbamin’ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina. Nisy olona marobe avy tany Galilia nanaraka Azy, ary nisy olona marobe koa avy tany Jodia,
8
Jerosalema, Edoma, avy tany andafin’i Jordana sy ny tany manodidina an’i Tiro sy i Sidona izay nandre izay zavatra nataony ka nankany Aminy.
9
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambokely iray ho Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, mba tsy hifanositosika Aminy ny olona.
10
Fa efa nanasitrana olona maro Izy ka nirohotra nankeo Aminy mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina.
11
Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niteny mafy hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra!
12
Nefa nandrara azy ireo mafy Izy mba tsy hanao izay hahafantarana Azy.
13
Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo Aminy, dia nankeo Aminy ireo.
14
Ary nanendry roa amby folo lahy Izy mba ho eo Aminy sy hirahiny hitoriteny
15
sady hanana fahefana handroaka ny demonia.
16
I Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
17
i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy ireo dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra;
18
i Andrea, i Filipo, i Bartolomeo, i Matio, i Tomasy, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Tadeo, i Simona kananeana
19
ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy.
20
Ary niditra tao amin’ny trano iray Jesosy, dia vory indray ny vahoaka ka tsy afaka nisakafo akory Izy.
21
Ary ny havany, raha nandre izany, dia tonga mba haka Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
22
Ary ny mpanoradalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia niteny hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, ary koa: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia.
23
Ary Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ary nilaza fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?
24
Raha misy fanjakana miady an-trano dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
25
Ary raha misy mpiray trano miady an-trano dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26
Ary raha i Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano dia tsy haharitra izy fa ho rava ny heriny.
27
Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.
28
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
29
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.
30
Ny olona mantsy dia niteny hoe: Azom-panahy maloto Izy.
31
Ary tonga ny reniny mbamin’ireo rahalahiny ka nijanona teo alatrano, dia naniraka olona hankao Aminy hiantso Azy.
32
Ary nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ka nilaza Taminy hoe: Indreo, ao alatrano ny reninao sy ireo rahalahinao ary ireo anabavinao mitady Anao.
33
Ary Izy namaly azy ireo hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
34
Ary nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy ka niteny hoe: Ireto ny reniko sy ny rahalahiko!
35
Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16