bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 13
Mark 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Ary nony niala teo amin’ny tempoly Jesosy dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: Mpampianatra ô, akory ny hatsaran’ireto vato sy rafitra ireto!
2
Fa hoy Jesosy: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
3
Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva tandrifin’ny tempoly Izy dia nanontany Azy mangingina i Petera sy i Jakoba ary i Jaona sy i Andrea hoe:
4
Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany? Ary inona no ho famantarana rehefa ho tonga izany rehetra izany?
5
Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema mba tsy hisy hamitaka anareo.
6
Fa maro no ho avy amin’ny anarako hilaza hoe: Izaho no Izy, koa maro no ho voafitany.
7
Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo dia aza matahotra; tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy izay akory ny farany.
8
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana.
9
Fa mitandrema ianareo; fa hatolotra amin’ny Sinedriona sy hokapohina any amin’ny sinagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona aminy.
10
Ary ny firenena rehetra dia tsy maintsy hitoriana ny Filazantsara aloha.
11
Koa raha mitondra anareo hatolotra izy dia aza manahy rahateo izay holazainareo, fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahy Masina.
12
Ary ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana ary ny ray dia hanolotra ny zanany; ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
13
Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
14
Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia;
15
izay ao an- tampon-trano dia aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony;
16
ary izay any an-tsaha dia aoka tsy hiverina haka ny akanjony.
17
Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!
18
Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina izany.
19
Fa amin’izay andro izay dia hisy fahoriana izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao sady tsy hisy intsony.
20
Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany dia tsy nisy nofo ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
21
Amin’izany, raha toa ka misy olona milaza aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ Izy, dia aza mino izany ianareo.
22
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azony atao izany.
23
Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.
24
Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana,
25
hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintana ary hohozongozonina ireo hery izay eny amin’ny lanitra.
26
Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra.
27
Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
28
Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsany ka mandravina izy dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy.
30
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
31
Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko dia tsy mba ho levona.
32
Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
33
Mitandrema, miambena ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana.
34
Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara.
35
Koa miambena ianareo fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
36
fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory.
37
Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16