bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 6
Mark 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 7 →
1
Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny tanànany ary niaraka Taminy koa ny mpianany.
2
Ary rehefa tonga ny Sabata dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy. Ary maro izay nihaino Azy no talanjona indrindra ka niteny hoe: Taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ny tanany izao?
3
Tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, ary rahalahin’i Jakoba sy i Josesy ary i Jodasy sy i Simona va Izy io? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina Taminy izy.
4
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany atao tsinontsinona raha tsy eo amin’ny taniny sy ny havany ary ny fianakaviany ihany.
5
Ary tsy afaka nanao fahagagana akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tanany tamin’ny olona marary vitsy foana sy nahasitrana azy.
6
Ary gaga Izy noho ny tsy finoan’izy ireo. Dia nitety ireo tanàna kely manodidina Izy ka nampianatra.
7
Ary niantso ny roa amby folo lahy hankeo Aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana amin’ny fanahy maloto.
8
Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ny halehany, na mofo, na kitapo, na vola ao anatin’ny fehikibony, afa-tsy tehina ihany.
9
Nefa asio kapa ny tongotrareo ary aza mitondra akanjo roa, hoy Izy.
10
Hoy koa Izy taminy: Izay trano idiranareo dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
11
Ary izay tanàna tsy mampandroso anareo na tsy mihaino anareo, rehefa miala tao ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
12
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
13
Ary demonia maro no noroahiny; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
14
Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao.
15
Fa hoy ny sasany: I Elia izany; ary hoy ny sasany: Mpaminany sahala amin’ny mpaminany hafa rehetra izany.
16
Ary rehefa nahare i Heroda dia hoy izy: I Jaona izay, ilay notapahiko loha iny; efa nitsangana tamin’ny maty izy.
17
Fa i Heroda tenany no nandefa iraka hisambotra an’i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny, satria nalainy ho vady izy io.
18
I Jaona dia efa nilaza tamin’i Heroda hoe: Tsy azonao atao ny maka ny vadin’ny rahalahinao.
19
Ary i Herodiasy dia nanana fo lentika taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy azony notanterahina izany.
20
I Heroda dia natahotra an’i Jaona satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ka narovany. Rehefa nihaino an’i Jaona izy dia very hevitra be ihany; kanefa nihaino azy tamin’ny hafaliana koa izy.
21
Tonga anefa ny andro izay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany.
22
Niditra tao ny zanakavavin’i Herodiasy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nisakafo taminy teo. Dia hoy ny mpanjaka tamin-dRazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona fa homeko anao izany.
23
Ary nianiana taminy izy ka niteny taminy hoe: Na inona na inona no hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.
24
Dia lasa Razazavavy ka nilaza tamin’ny reniny hoe: Inona re no hangatahiko? Ary hoy ny reniny: Ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.
25
Dia niditra haingana niaraka tamin’izay izy ho eo amin’ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha omenao ahy haingana eo ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.
26
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nanatrika nisakafo teo dia tsy sahy nandà azy izy.
27
Ary niaraka tamin’izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina ka nasainy noentiny teo aminy ny lohan’i Jaona. Dia nandeha io ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohan’i Jaona.
28
Dia noentiny teo ambony lovia ny lohan’i Jaona ka nomeny an-dRazazavavy; ary Razazavavy kosa dia nanome izany ny reniny.
29
Rehefa nandre izany ny mpianatr’i Jaona dia tonga ka naka ny fatiny ary nandevina azy.
30
Ary vory teo akaikin’i Jesosy ny Apostoly ka nilaza ny tatitry ny zavatra rehetra izay nataony sy nampianariny.
31
Dia hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany efitra ka mialà sasatra kely. Maro mantsy ny olona nifamezivezy ka tsy nisy hisakafoanany akory aza.
32
Dia nandeha an-tsambokely izy ireo mba hitokana any an-tany efitra.
33
Ary nony nahita azy ireo nandeha ny olona, ary betsaka no efa nahafantatra azy ireo, dia nihazakazaka nandeha an-tongotra avy tany amin’ny tanàna tsirairay ka tonga talohany tany.
34
Nony niala ny sambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka ka onena azy ireo satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; ary nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.
35
Ary rehefa hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao, ary hariva ity ny andro;
36
ampodio ny olona hankany amin’ny tanàna kely manodidina mba hividy hanina.
37
Fa hoy ny navaliny azy: Omeo hanina ireo olona ireo. Hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ny denaria roanjato va izahay hohaniny?
38
Hoy Izy tamin’izy ireo: Misy mofo firy any aminareo? Andeha hoe jereo. Ary rehefa fantatra ny isany dia hoy izy ireo: Dimy sy hazandrano roa.
39
Dia nasain’i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra ny mpianatra ka natao mitsitokotoko teny ambonin’ny ahi-maitso ireo.
40
Koa dia nipetraka ho antokony zato sy dimampolo avy ny olona.
41
Ary rehefa voarain’i Jesosy ireo mofo dimy sy ireo hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ireo mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony amin’ny olona; ary ny hazandrano roa dia nozarainy tamin’ny olona rehetra.
42
Samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
43
Ary nangonina izay sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano ka nahafeno harona roa amby folo.
44
Ary ireo izay nisakafo dia nisy dimy arivo lahy.
45
Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely mba hita hialoha Azy ho any Betsaida mandra-pandravany ny vahoaka.
46
Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
47
Nony hariva ny andro dia efa teo ampovoan’ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teny an-tanety.
48
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, satria nanohitra azy ireo ny rivotra; ary tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
49
Ary rehefa hitany nitsangantsangana teo ambonin’ny ranomasina Izy dia noheveriny ho matoatoa ka niantsoantso mafy izy ireo,
50
satria izy rehetra dia samy nahita Azy avokoa ka raiki-tahotra. Ary niteny tamin’izy ireo niaraka amin’izay Izy hoe: Matokia! Izaho ihany ity, aza matahotra!
51
Ary niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely Izy dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona izy ireo,
52
satria tsy takatry ny sainy ny fahagagana ny amin’ny mofo fa mbola mafy ny fony.
53
Nony tafita izy ireo dia tonga tao amin’ny faritanin’i Genesareta ka niantsona teo.
54
Ary raha niala teo an-tsambokely izy ireo dia nahafantatra an’i Jesosy avy hatrany ny olona teo;
55
nihazakazaka namakivaky ny faritany manontolo ny olona ary nitondra ny marary tamin’ny fandrianany ho any amin’izay reny fa nitoerany.
56
Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, ary ny olona dia nangataka hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza. Ary sitrana izay rehetra nikasika Azy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16