bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 4
Mark 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 5 →
1
Ary nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy ka voatery niditra tao amin’ny sambokely iray teo amin’ny ranomasina Izy ka nipetraka tao; ary ny vahoaka rehetra dia teo an-tanety, teo amoron’ny ranomasina.
2
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza izao fampianarana izao hoe:
3
Mihainoa: Indro, niainga ity mpamafy mba hamafy.
4
Raha namafy izy dia nisy voa izay latsaka teny amoron-dalana, ary avy ny voromanidina ka nitsaingoka nihinana ireny.
5
Ary nisy ampahany sasany izay latsaka teny amin’ny toerana be vato izay tsy ampy nofon-tany; nalaky nitsiry ireny satria tsy lalina ny tany.
6
Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo ireo satria tsy namahatra tsara dia maty.
7
Nisy ampahany hafa indray latsaka teny amin’ny tsilo; ary naniry ny tsilo ka nangeja azy dia tsy namoa izy.
8
Ary ny voa sasany dia latsaka teny amin’ny tany lonaka, koa raha naniry sy namoa ireny dia namokatra: Ny iray dia namokatra telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato.
9
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
10
Rehefa nisintona tsy teo amin’ny vahoaka intsony Izy dia nanontany Azy ny amin’ireo fanoharana ireo ny olona nomba Azy mbamin’ny roa amby folo lahy.
11
Ary hoy Izy taminy: Ianareo no efa nomena ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ireo izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana
12
mba «hijery mandrakariva ihany izy nefa tsy hahita ary handre mandrakariva ihany izy nefa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony» (Isa 6.9, 10).
13
Hoy koa Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? Koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
14
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
15
Ireo izay teo amoron-dalana dia ireo izay amafazana ny teny, kanefa rehefa nandre izy dia avy miaraka amin’izay i Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16
Tahaka izany koa, ireo izay voafafy teny amin’ny toerana be vato dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana;
17
nefa tsy mamahatra lalina ao anatiny ireny fa mihelina vetivety foana; koa raha vao tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
18
Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no nandre ny teny,
19
nefa ny fanahiana ny amin’izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana hafa tafiditra ao aminy dia mangeja ny teny ka tsy mamoa izy.
20
Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato.
21
Hoy koa Izy tamin’izy ireo: Moa entina va ny jiro mba hosaronana ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara? Tsy hatao eo amin’ny fitoeran-jiro va izy?
22
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy haseho.
23
Raha misy olona manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!
24
Hoy indray Izy tamin’izy ireo: Diniho izay teny renareo. Araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
25
Fa izay manana no homena; ary ny amin’izay tsy manana, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy.
26
Ary hoy koa Izy: Toy izao ny fanjakan’Andriamanitra: Tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ny tany
27
ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny.
28
Fa ny tany dia manome vokatra ho azy: Voalohany dia misy tahony, avy eo salohiny, ary farany dia salohy feno vary.
29
Ary rehefa masaka eny an-tsaha izy dia atao miaraka amin’izay ny fijinjana fa efa tonga ny fararano.
30
Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
31
Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voan-javatra rehetra raha vao afafy amin’ny tany;
32
fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany.
33
Ary fanoharana maro toy izany no nanambaràny ny teny tamin’izy ireo, araka izay azony nohenoina.
34
Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
35
Tamin’io andro io ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ireo: Andeha isika ho erỳ ampita.
36
Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.
37
Ary nisy tafio-drivotra mahery ka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ary efa ho feno rano.
38
Tao aoriana Jesosy no natory teo ambonin’ny ondana. Dia namoha Azy izy ireo ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
39
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara! Dia nitsahatra ny rivotra ka tony tsara ny andro.
40
Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Nahoana no matahotra ianareo? Tsy mbola manana finoana va ianareo?
41
Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa samy manaiky Azy, na ny rivotra na ny ranomasina?
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16