bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 8
Mark 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
1
Tamin’izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina ireo, dia nantsoin’i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
2
Mahonena Ahy ireto vahoaka ireto, fa hateloana izay no nitoerany teto Amiko ka tsy manan-kohanina intsony izy.
3
Koa raha hampodiko ho any an-tranony tsy misakafo izy dia ho reraka eny an-dalana sady avy lavitra ny sasany.
4
Dia namaly Azy ny mpianatra hoe: Aiza no hahazoana mofo hahavoky ireto olona ireto atỳ an-tany efitra atỳ?
5
Fa nanontany azy Izy hoe: Misy mofo firy ary any aminareo? Dia hoy ireo: Fito.
6
Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka. Ary nandray ny mofo fito Izy, koa rehefa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia naroson’izy ireo ny vahoaka izany.
7
Ary nanana hazandrano madinika vitsy koa izy ireo, koa rehefa nanaovan’i Jesosy fisaorana ireo dia nasainy naroso teny koa.
8
Dia nihinana ny olona ka voky; ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nisy fito sobika.
9
Tokony ho efatra arivo ireo vahoaka ireo. Dia nasainy nody ireo.
10
Ary niaraka tamin’izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ny mpianany ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanota.
11
Ary tonga teo ny Fariseo dia nanomboka niady hevitra Taminy ka nitady famantarana avy any an-danitra mba hakany fanahy Azy.
12
Ary nisento lalina am-panahy Jesosy ka niteny hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13
Ary nandao azy ireo Izy dia niondrana indray ka lasa nankeny ampita.
14
Ary nanadino nitondra mofo izy ireo ka tsy nisy afa-tsy mofo iray ihany tao an-tsambokely.
15
Dia nanafatrafatra azy Izy hoe: Diniho ka mitandrema ianareo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.
16
Dia nifampiresaka izy ireo satria tsy nanana mofo.
17
Ary fantatr’i Jesosy izany dia niteny taminy Izy hoe: Nahoana ianareo no mifampiresaka hoe tsy manana mofo? Tsy mbola azonareo an-tsaina na tsy fantatrareo ihany va? Efa mafy fo va ianareo?
18
Mana-maso nefa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina nefa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo
19
fa tamin’ilay namakiako ny mofo dimy ho an’ny dimy arivo, firy harona moa ny sombintsombiny nangoninareo? Hoy ireo Taminy: Roa amby folo.
20
Tamin’ilay mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobika moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ireo: Fito.
21
Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy azonareo ihany va?
22
Ary lasa nankany Betsaida izy ireo; ary nisy nitondra lehilahy jamba iray teo amin’i Jesosy ka niangaviany Izy mba hikasika ilay jamba.
23
Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony ka napetrany taminy ny tanany dia nanontaniany hoe: Mahita zavatra va ianao?
24
Dia nanokatra ny masony ilay jamba ka niteny hoe: Hitako ny olona, nefa tahaka ny hazo mandehandeha no fijeriko azy.
25
Dia napetrak’i Jesosy tamin’ny masony indray ny tanany dia nahita tsara Ralehilahy ka sitrana ary hitany mazava tokoa ny zavatra rehetra.
26
Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka niteny hoe: Aza mankao an-tanàna.
27
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ireo tanàna kely miankina amin’i Kaisarian’i Filipo. Nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa Aho?
28
Ary hoy ireo taminy: I Jaona Mpanao batisa; ary hoy ny sasany hoe: I Elia; hoy koa ny sasany hoe: Iray amin’ireo mpaminany.
29
Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera ka niteny taminy hoe: Ianao no Kristy.
30
Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hiteny ny momba Azy na amin’iza na amin’iza.
31
Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.
32
Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy.
33
Fa Izy nitodika dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mandehana any aorianako, ry Satana! Satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao fa izay an’ny olona.
34
Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
35
Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny Filazantsara dia hahavonjy azy.
36
Fa inona moa no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny ainy?
37
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?
38
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona, rehefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina Izy.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16