bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 16
Mark 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
1
Rehefa lasa ny andro Sabata dia nandeha nividy zavamanitra i Maria Magdalena sy i Salome ary i Maria, renin’i Jakoba, mba hoentiny hanosorana ny fatin’i Jesosy.
2
Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro.
3
Ary niresaka izy ireo hoe: Iza re no hanampy antsika hanakodia ny vato hiala amin’ny varavaran’ny fasana?
4
Fa nony nitraka izy ireo dia indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato, nefa lehibe ilay vato.
5
Ary raha niditra tao anatin’ny fasana izy ireo dia nahita zatovo iray nipetraka teo amin’ny ankavanana, niakanjo akanjo fotsy, dia raiki-tahotra izy ireo.
6
Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra ianareo; Jesosy avy any Nazareta izay voahombo tamin’ny hazofijaliana no tadiavinareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahana Azy.
7
Koa mandehana ianareo dia lazao amin’ny mpianany sy i Petera fa mialoha anareo any Galilia Izy. Any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
8
Dia nandeha izy ireo ka lasa nandositra niala tao amin’ny fasana, fa toran-kovitra sady natahotra. Ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’olona izy satria natahotra.
9
Rehefa tafatsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.
10
Ary nandeha i Maria ka nilaza tamin’ireo izay efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.
11
Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dRavehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.
12
Taorianan’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy namany, izay nankany an-tsaha.
13
Izy ireo koa dia nandeha nilaza tamin’ireo namany hafa; kanefa na ireo koa aza tsy ninoany.
14
Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy.
15
Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.
16
Izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina.
17
Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: Handroaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
18
handray menarana izy, na dia misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny.
19
Ary Jesosy Tompo, rehefa avy niteny tamin’izy ireo, dia nampiakarina ho any an-danitra ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
20
Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitoriteny manerana ny tontolo, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana nampombaina azy. Amena.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16