bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 9
Mark 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 10 →
1
Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hahita fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery.
2
Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ka nitondra azy ireo nitokana, niakatra ho any an-tendrombohitra avo iray. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy,
3
ary niova ka tonga namirapiratra sady fotsy dia fotsy ny fitafiany ka tsy misy mpanasa lamba ambonin’ny tany mahafotsy lamba toy izany.
4
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Mosesy izay niresaka tamin’i Jesosy.
5
Ary niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary andeha hanao tranolay telo izahay: Ho Anao ny iray, ho an’i Mosesy ny iray ary ho an’i Elia ny iray.
6
Tsy fantany mantsy izay hotenenina satria raiki-tahotra izy rehetra.
7
Ary nisy rahona niseho nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy!
8
Niaraka tamin’izay, nony nijery manodidina izy ireo dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany izay teo aminy.
9
Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.
10
Ary nitana izany teny izany izy ireo ka niady hevitra ny amin’izay hevitr’izany fitsanganana amin’ny maty izany.
11
Ary izy ireo dia nanontany an’i Jesosy hoe: Nahoana no lazain’ny mpanoradalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?
12
Dia hoy Izy tamin’izy ireo: I Elia dia tonga mialoha ihany ka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Fa ahoana kosa ary no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona, fa tsy maintsy hijaly mafy Izy sady hatao tsinontsinona?
13
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga i Elia sady efa nanamparan’ny olona ny sitrapony izy, araka izay voasoratra ny aminy.
14
Nony tonga teo amin’ny mpianatra izy ireo dia nahita vahoaka betsaka nanodidina ny mpianatra izay niady hevitra tamin’ny mpanoradalàna.
15
Ary niaraka tamin’izay, nony nahita an’i Jesosy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
16
Ary nanontany azy ireo Izy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireo?
17
Ary nisy iray tamin’ny vahoaka namaly hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ Aminao ny zanako lahy izay manana fanahy moana;
18
ary na aiza na aiza no ihetsehan’izany dia ampihinjitrinjiriny amin’ny tany izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka be. Niteny tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka izany nefa tsy vitany.
19
Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ Amiko izy.
20
Dia noentiny teo Aminy izy. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ilay fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
21
Ary Jesosy nanontany ny rainy hoe: Hatramin’ny oviana izay no nahatongavan’izao taminy? Dia hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
22
Fa nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy. Fa raha mba misy hainao re dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!
23
Hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.
24
Ary niaraka tamin’izay dia niantso mafy sady nandrotsa-dranomaso ny rain-drazazalahy ka niteny hoe: Mino aho! Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako!
25
Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Mandidy anao Aho: Mialà aminy ka aza miditra ao anatiny intsony!
26
Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia niala taminy. Ary efa toy ny maty ilay zazalahy ka nolazain’ny maro hoe maty.
27
Fa nandray ny tanany kosa Jesosy ka nampiarina azy dia nitsangana izy.
28
Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny?
29
Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny dia tsy mba azo roahina na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana ihany.
30
Dia niala teo izy ireo ka nizotra namakivaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa maty Izy dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32
Tsy azon’ireo anefa izany teny izany sady natahotra ny hanontany Azy izy.
33
Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
34
Tsy nisy nahateny anefa izy ireo satria niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay lehibe indrindra.
35
Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra.
36
Ary nandray zaza iray Izy ka nametraka azy teo afovoan’izy rehetra; rehefa notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
37
Na zovy na zovy no mandray iray amin’itony zaza itony amin’ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia tsy Izaho no raisiny fa Ilay naniraka Ahy.
38
Ary hoy i Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona iray nandroaka demonia tamin’ny anaranao izahay ka noraranay izy satria tsy nanaraka antsika.
39
Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy eo no eo.
40
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41
Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ny kaopy hosotroinareo satria an’i Kristy ianareo dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42
Na iza na iza no manafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo dia tsara ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny tendany ka hatsipy any anaty ranomasina izy.
43
Ary raha ny tananao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny afobe, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina;
44
any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty.
45
Ary raha ny tongotrao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afobe, any amin’ny afo tsy azo vonoina;
46
any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty.
47
Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe;
48
any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty.
49
Fa samy hosedraina amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra dia samy hosedraina amin’ny fanasina.
50
Tsara ny sira, kanefa raha tonga matsatso izy, inona indray no hoentinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo ary mihavàna tsara ianareo.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16