bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 12
Mark 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 13 →
1
Ary nanomboka niteny tamin’ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana Izy hoe: Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazana ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka lasa nankany an-tany hafa izy.
2
Rehefa tonga ny fotoanan’ny vokatra dia naniraka mpanompo iray izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ampahany amin’ny vokatry ny tanim-boaloboka.
3
Fa nosamborin’ireo ilay mpanompo sady nokapohiny ary nampialainy maina.
4
Ary naniraka mpanompo hafa indray izy ho any amin’ireo, fa io koa dia noratrain’ireo ny lohany sady nalany baraka.
5
Ary nandefa iraka iray hafa indray koa izy, fa io indray kosa dia novonoiny ho faty; ary mbola maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny ary ny sasany novonoiny ho faty.
6
Ary mbola nanana iray izy, dia ny zanany lahy malalany, koa nony farany dia naniraka azy hankany amin’ireo izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.
7
Ireo mpiasa tany ireo anefa dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova! Andeha hovonointsika izy dia ho antsika ny lova.
8
Dia nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny teny ivelan’ny tanim-boaloboka.
9
Koa ahoana ary no hataon’ilay tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany? Ho avy izy dia handringana ireo mpiasa tany ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
10
Ary mbola tsy novakinareo va izao Soratra Masina izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no efa natao fehizoro;
11
avy tamin’ny TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22-23)
12
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka satria fantany fa mahakasika azy ireo ny nilazan’i Jesosy ilay fanoharana. Dia nandao an’i Jesosy ny olona ka lasa nandeha.
13
Ary nisy nandefa iraka hankeo amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny Herodiana mba hamandrika Azy amin’ny teniny.
14
Rehefa tonga ireo dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampiova Anao ny hevitry ny olona ary tsy mba mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara sa tsia? Hanome va izahay sa tsy hanome?
15
Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihin’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria iray Aho mba hojereko.
16
Dia nitondran’izy ireo Izy. Ary hoy Izy taminy: An’iza io sary sy soratra io? Dia hoy ireo Taminy: An’i Kaisara.
17
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Dia gaga Taminy izy ireo.
18
Ary nisy Sadoseo tonga teo Aminy izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty ka nanontany Azy hoe:
19
Mpampianatra ô, i Mosesy dia nanoratra ho antsika hoe: «Raha misy manan-drahalahy maty momba, kanefa mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dRavehivavy ka hiteraka aminy mba hamelo-maso ny rahalahiny» (Deo 25.5).
20
Nisy fito mirahalahy. Nampaka-bady ny zokiny dia maty momba.
21
Nampakatra an-dRavehivavy ny faharoa dia maty momba koa. Ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
22
Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Ary faran’izy rehetra dia maty koa Ravehivavy.
23
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, iza amin’izy ireo moa no ho vadin-dRavehivavy? Satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
24
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin’Andriamanitra izao va no mahadiso lalana anareo?
25
Fa amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26
Koa momba ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakinareo va ny ao amin’ny Bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny roimemy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6)?
27
Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona. Koa tena diso lalana ianareo.
28
Dia nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanoradalàna izay nahare azy ireo niady hevitra ka nahita fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana moa no voalohany amin’izy rehetra?
29
Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana;
30
koa tiava ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao rehetra» (Deo 6.4, 5).
31
Ary ny faharoa dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32
Ary hoy ilay mpanoradalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy,
33
ary ny ho tia Azy amin’ny fo manontolo, amin’ny saina manontolo, amin’ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa rehetra.
34
Rehefa hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35
Ary Jesosy, raha nampianatra tao amin’ny tempoly, dia niteny hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanoradalàna fa Kristy dia Zanak’i Davida?
36
Kanefa ny tenan’i Davida no nampitenenin’ny Fanahy Masina hoe: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha Ianao eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao» (Sal 110.1).
37
Ny tenan’i Davida no miantso Azy hoe Tompo; koa ahoana ary no maha Zanany Azy? Ary vahoaka betsaka no nihaino Azy tamin-kafaliana.
38
Ary hoy Izy tamin’ny fampianarany: Mitandrema ianareo ny amin’ny mpanoradalàna izay mazoto mandehandeha manao akanjo lava sy te hoarahabain’ny olona eny an-tsena
39
ary tia ny fipetrahana eny anoloana ao amin’ny sinagoga sy ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana
40
ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa.
41
Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy dia nandinika ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy. Maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
42
Fa nisy mpitondratena mahantra iray kosa tonga teo ka nandatsaka lepta roa na kaodiranta iray izany.
43
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io dia nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
44
fa ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa dia tamin’ny tsy fananany no nandatsahany izay rehetra teo am-pelatanany, dia ny fivelomany rehetra.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16