bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Mark 2
Mark 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 3 →
1
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia niditra tao Kapernaomy indray Izy. Re fa tao amin’ny trano iray Jesosy,
2
ary maro ny olona tafavory tao ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan’ny varavarana aza. Ary nitoriany teny ireo.
3
Dia nisy nanatona nitondra lehilahy malemy ho eo Aminy, marary izay nolanjain’olona efa-dahy.
4
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka dia nanesorany ny tafon’ny trano nisy an’i Jesosy ka nony efa voasokatra izany dia nampidininy avy teo ny fandriana izay nandrian’ilay malemy.
5
Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Anaka, voavela ny helokao.
6
Ary nisy mpanoradalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
7
Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
8
Avy hatrany Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa izany no eritreritra tao am-pon’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
9
Inona moa no moramora kokoa, ny milaza amin’ilay malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana?
10
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona dia manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy:
11
Lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka modia any an-tranonao.
12
Dia nitsangana izy ka nibata ny fandrianany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
13
Lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianatra azy ireo Izy.
14
Teny am-pandehanana Izy dia nahita an’i Levy, zanak’i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; koa hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
15
Ary raha nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Levy Izy dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nisakafo tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany, satria maro izy ireo no nanaraka Azy.
16
Ary ny mpanoradalàna, izay isan’ny Fariseo, raha nahita Azy niara-nipetraka nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
17
Raha nahare izany Jesosy dia niteny taminy hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.
18
Tamin’izany fotoana izany dia nifady hanina ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo. Dia avy izy ireo ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina fa ny mpianatrao kosa dia tsy mba mifady?
19
Hoy Jesosy taminy: Afaka mifady hanina va ireo havan’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ny mpampakatra dia tsy afaka hifady hanina izy.
20
Fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra hiala aminy ka amin’izay andro izay vao mifady hanina izy ireo.
21
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba vaovao izay mbola tsy voasasa, amin’ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina, dia handrovitra ny tonta ka hiitatra ny rovitra.
22
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
23
Raha nandeha namakivaky tanimbary iray tamin’ny Sabata Jesosy dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany.
24
Dia hoy ny Fariseo Taminy: Jereo, nahoana ireo no manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata?
25
Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin’izay nanaraka azy?
26
Fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, kanefa io mofo io dia mahadiso raha misy homana azy, afa-tsy ny mpisorona; ary nomeny koa izay nanaraka azy.
27
Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata,
28
koa Tompon’ny Sabata ihany koa ny Zanak’Olona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16