bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 10
Romans 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 11 →
1
Ry rahalahy, ny fanirian’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireny dia ny mba hahavoavonjy azy.
2
Satria vavolombelon’ireny aho, fa manana hafanam-po ny amin’Andriamanitra izy saingy tsy araka ny fahalalana.
3
Eny, tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hampiorina fahamarinana ho an’ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
4
Ny faran’ny lalàna anefa dia Kristy, ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.
5
Fa i Mosesy dia nanoratra nilaza fa ny olona izay manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany (Lev 18.5).
6
Ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana kosa dia milaza hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? Izany hoe ny hampidina an’i Kristy avy any izany,
7
na: Iza no hidina any amin’ny lalina? Izany hoe ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.
8
Fa ahoana no lazainy? «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao» (Deo 30.12-14), dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay izany.
9
Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.
10
Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11
Fa hoy ny Soratra Masina: «Tsy hitsanga-menatra izay rehetra mino Azy» (Isa 28.16).
12
Fa tsy misy hafa na Jiosy na Jentilisa, fa iray ihany ny Tompon’izy rehetra, sady manankarena homena izay rehetra miantso Azy Izy.
13
Satria «Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena» (Joe 3.5).
14
Hataony ahoana moa no fiantso izay tsy ninoany? Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15
Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: «Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!» (Isa 52.7).
16
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny Filazantsara. Fa hoy Isaia: «TOMPO ô, iza no nino izay henony taminay?» (Isa 53.1).
17
Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy.
18
Fa hoy aho: Sao tsy nahare izy? Tsia, «Efa nivoaka ho any amin’ny tany manontolo ny feony ary ny teniny dia hatramin’ny faran’izao rehetra izao» (Sal 19.4).
19
Fa hoy aho: Sao tsy nahalala ary ny Israely? I Mosesy no voalohany niteny hoe: «Hampialona anareo an’izay tsy firenena Aho, amin’izay firenena adala no hampahasosorako anareo» (Deo 32.21).
20
Fa sahy mihitsy Isaia ka nilaza hoe: «Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»
21
Fa ny amin’ny Israely dia hoy izy: «Mandritra ny andro no efa nanatsorako ny tanako tamin’izay firenena sady tsy mankatò no mandà» (Isa 65.1-2).
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16