bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 11
Romans 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 12 →
1
Dia hoy aho: Sao dia narian’Andriamanitra ary ny olony? Sanatria izany! Satria izaho koa mba Israelita taranak’i Abrahama ihany, avy amin’ny fokon’i Benjamina.
2
Tsy nanary ny olony izay efa fantany mialoha Andriamanitra; sa tsy fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny tantaran’i Elia, dia ilay fitarainany tamin’Andriamanitra noentiny namely ny Israely hoe:
3
«TOMPO ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy; ary izaho irery ihany no sisa ka mitady ny aiko koa izy» (1Mpa 19.14)?
4
Nefa ahoana no navalin’Andriamanitra azy? «Izaho efa namela fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ny Baala » (1Mpa 19.18).
5
Dia toy izany koa amin’izao andro ankehitriny izao, misy sisa tavela ihany araka ny fifidianana amin’ny fahasoavana.
6
Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany dia tsy mba avy amin’ny asa intsony; fa raha izay dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7
Ahoana ary? Izay notadiavin’ny Israely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany ary ny sisa kosa dia tonga mafy fo;
8
araka ny voasoratra hoe: «Andriamanitra efa nanome azy fanahy mahasondrian-tory sy maso tsy hahita ary sofina tsy hahare, mandraka androany» (Isa 29.10; Deo 29.3).
9
Ary hoy Davida: «Aoka ny latabany ho fandrika sy ho harato, sady ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy!
10
Aoka ny masony ho maizina ka tsy hahita! Ary aoka ho vokoka mandrakariva ny lamosiny!» (Sal 69.22-23)
11
Dia hoy aho: Sao dia tafintohina ary ny Israely ka ho lavo? Sanatria izany! Fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa mba hampialona azy.
12
Raha ny fahatafintohinany no tonga harenan’izao tontolo izao, ary ny fahareseny no tonga harenan’ny Jentilisa, tsy mainka va ny fahafenoany!
13
Fa ianareo Jentilisa no itenenako. Koa satria apostolin’ny Jentilisa aho dia mankalaza ny fanompoako,
14
mba hisy hahazoako hampialona ireo iray ra amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
15
Fa raha ny fampihatahana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fampodiana ny fiainana avy amin’ny fahafatesana va ny fandraisana azy?
16
Ary koa, raha masina ny santatry ny mofo dia masina koa ny vongany manontolo; ary raha masina ny fotony dia masina koa ny sampany.
17
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka haniry teo aminy ka mba niombona tamin’ny fototra sy ny menaky ny hazo oliva,
18
dia aza mirehareha amin’ny sampany; fa na dia mirehareha aza ianao, tsy ianao no mitondra ny fotony fa ny fotony no mitondra anao.
19
Ary hiteny ianao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy haniry.
20
Marina izany; ny tsy finoany no nanapahana azy fa ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona fa matahora.
21
Fa raha ny tena sampany aza tsy navelan’Andriamanitra dia tsy havelany koa ianao.
22
Koa hevero fa mora fanahy Andriamanitra nefa hentitra: Amin’izay lavo dia hentitra Izy; fa aminao kosa dia mora fanahy Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
23
Nefa ireny kosa, raha tsy mifikitra amin’ny tsy finoana, dia hatsofoka haniry ihany, satria azon’Andriamanitra atsofoka indray izy.
24
Fa raha notapahina tamin’ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka haniry amin’ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, manoatra noho izany no hanatsofohana indray izay tena sampany amin’ny hazo oliva nanapahana azy.
25
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zavamiafina izao, ry rahalahy, fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo: Misy fahamafisam-po manjo ny Israely sasany mandra-pahatafiditry ny Jentilisa rehetra.
26
Amin’izany dia hovonjena avokoa ny Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: «Hiainga avy any Ziona ny Mpanafaka ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy;
27
izany no fanekeko aminy rehefa manaisotra ny fahotany Aho» (Isa 59.20-21; 27.9).
28
Araka ny Filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa araka ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ny razana.
29
Satria ny fanomezana ny fahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy azo ovana.
30
Fa tahaka anareo fahiny, izay tsy nankatò an’Andriamanitra, nefa ankehitriny dia ny tsy fanekeny no nahazoanareo famindrampo,
31
dia toy izany koa ankehitriny, tsy nankatò ireny, mba hahazoany famindrampo ankehitriny noho ny famindrampo azonareo.
32
Fa nanidy azy rehetra tao amin’ny tsy fankatoavana Andriamanitra mba hamindrany fo amin’izy rehetra.
33
Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany!
34
Fa «iza no nahalala ny sain’NY TOMPO? Iza no mpanolotsaina Azy?» (Isa 40.13)
35
Iza no nanome Azy aloha mba hamaliana azy indray?
36
Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amena!
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16