bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 14
Romans 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
1
Raiso ny malemy finoana, nefa tsy amin’ny fitsaranareo ny eritreriny.
2
Ny iray dia mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy; malemy finoana kosa ny iray ka tsy mihinana afa-tsy ny vokatry ny zavamaniry.
3
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; aoka koa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.
4
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampijoroina ihany izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
5
Ny iray dia manao ny andro iray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny iray kosa dia manao ny andro rehetra ho mitovy. Aoka samy ho resy lahatra ao an-tsainy avy izy.
6
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo ary misaotra an’Andriamanitra koa izy.
7
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany.
8
Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
9
Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.
10
Ary nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana koa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.
11
Satria voasoratra hoe: «Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, ny lohalika rehetra dia handohalika eo anatrehako ary ny lela rehetra dia hidera an’Andriamanitra!» (Isa 45.23)
12
Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.
13
Koa aza mifampitsara intsony isika fa aleo mihevitra izao: Ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy.
14
Mahafantatra sady resy lahatra ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; satria raha misy manao zavatra iray ho maloto dia aminy ihany izany no maloto.
15
Raha mampalahelo ny rahalahinao ny zavatra fihinanao dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny zavatra haninao no animbanao azy, fa efa maty hamonjy azy Kristy.
16
Koa aza avela hotenenina ratsy izay zavatra tsara anananareo.
17
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
18
Koa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara.
19
Koa aoka isika hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20
Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana ka mahatonga fahatafintohinana.
21
Fa tsara ny tsy mihinana hena, ny tsy misotro divay, ny tsy manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
22
Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay zavatra ekeny!
23
Fa izay misalasala dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16