bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 15
Romans 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
1
Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
2
Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.
3
Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voasoratra hoe: «Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko» (Sal 69.9).
4
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
5
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,
6
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!
7
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra.
8
Fa lazaiko fa tonga mpanompon’ny voafora Kristy noho ny fahamarinan’Andriamanitra, hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana
9
mba hankalazan’ny Jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao» (Sal 18.49).
10
Hoy koa Izy: «Miravoravoa, ry Jentilisa mbamin’ny olony!» (Deo 32.43)
11
Ary koa: «Miderà NY TOMPO, ry Jentilisa rehetra ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra!» (Sal 117.1)
12
Hoy koa Isaia: «Ho avy ny Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny Jentilisa; Izy no hantenain’ny Jentilisa» (Isa 11.10).
13
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
14
Koa ny aminareo, ry rahalahiko, dia matoky aho fa feno hatsaram-panahy ianareo, feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa.
15
Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy,
16
mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny Jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny Jentilisa, ho fanatitra nohamasinin’ny Fanahy Masina.
17
Koa manana izay reharehako ao amin’i Kristy Jesosy aho noho ny amin’Andriamanitra.
18
Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nataon’i Kristy tamin’ny alalako, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny Jentilisa,
19
noho ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilirikiona no nahatanterahako ny fitoriako ny Filazantsaran’i Kristy.
20
Koa nataoko ho voninahitro ny hitory ny Filazantsara, tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho,
21
fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy nilazana Azy no hahita, ary izay tsy nandre no hahafantatra» (Isa 52.15).
22
Izay no nanakana ahy matetika tsy hankany aminareo.
23
Ankehitriny kosa dia tsy misy antony hitoerako etỳ amin’ity faritra ity intsony, sady efa naniry hankany aminareo hatramin’ny taona maro aho
24
rehefa mankany Espaina; koa manantena hahita anareo aho amin’ny fandalovako ka ho vatsinareo ny diako mankany rehefa avy nifaly vetivety tamin’ny fiarahana taminareo.
25
Fa ankehitriny dia efa hiainga hankany Jerosalema aho mba hanompo ny olona masina.
26
Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.
27
Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
28
Rehefa vitako izay ka voatolotro azy soa amantsara izany vokatra izany dia ho any Espaina aho ka handalo any aminareo.
29
Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho dia handeha amin’ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy.
30
Nefa mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy,
31
mba ho voavonjy amin’ny tsy mino any Jodia aho ary mba hankasitrahan’ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema;
32
rehefa vita izany dia hankany aminareo amin’ny fifaliana aho, raha sitrapon’Andriamanitra ka hiala sasatra kely any aminareo.
33
Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra! Amena!
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16