bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 6
Romans 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 7 →
1
Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika mba hitomboan’ny fahasoavana?
2
Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no mbola ho velona ao aminy ihany?
3
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?
4
Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
5
Fa raha nampiraisina aina Taminy tamin’ny fahafatesana toy izany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;
6
fa fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia niaraka nohomboana Taminy mba tsy hampanan-kery ny tenan’ny ota, koa tsy ho andevozin’ny ota intsony isika.
7
Fa izay efa maty dia nohamarinina ka afaka amin’ny ota.
8
Koa raha miara-maty amin’i Kristy isika dia mino fa hiara-belona Aminy koa;
9
fantatsika mantsy fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery Aminy intsony ny fahafatesana.
10
Ny amin’ny nahafatesany dia maty indray mandeha ny amin’ny ota Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa dia velona ho an’Andriamanitra Izy.
11
Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ataovy ho efa maty ny amin’ny ota ny tenanareo fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy kosa.
12
Koa aza avela hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ny ota ka hanarahanareo ny filany;
13
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
14
Fa tsy hanan-kery aminareo ny ota; satria tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.
15
Ahoana ary? Hanota va isika satria tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!
16
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho andevo ianareo mba hanoa, na iza na iza, dia andevon’izay ankatoavinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana?
17
Koa isaorana Andriamanitra, fa na dia efa andevon’ny ota aza ianareo, ny fonareo kosa dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo;
18
ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo dia tonga andevon’ny fahamarinana.
19
Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka nanatanteraka ny tsy fanarahan-dalàna, dia mba atolory toy izany koa ny momba ny tenanareo ankehitriny ho andevon’ny fahamarinana, mba hahatanteraka ny fahamasinana.
20
Fa fony mbola andevon’ny ota ianareo dia afaka tamin’ny fahamarinana.
21
Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? Fa fahafatesana no fiafaran’izany zavatra izany.
22
Ankehitriny kosa, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’Andriamanitra ka manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
23
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16