bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 4
Romans 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 5 →
1
Inona ary no holazaintsika fa efa azon’i Abrahama razantsika araka ny nofo?
2
Raha asa tokoa mantsy no nanamarinana an’i Abrahama dia misy hireharehany ihany, saingy tsy eo anatrehan’Andriamanitra.
3
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? «Ary nino an’Andriamanitra i Abrahama ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6).
4
Ho an’izay miasa dia tsy isaina ho toy ny fahasoavana ny karama fa ho toy ny trosa.
5
Fa ho an’izay tsy miasa kosa nefa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
6
Izany no ilazan’i Davida ny fahasambaran’ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa:
7
«Sambatra ireo izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8
Sambatra izay olona tsy isain’NY TOMPO heloka» (Sal 32.1-2).
9
Koa izany fahasambarana izany, moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? Satria lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.
10
Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
11
Nandray ny famantarana amin’ny famorana izy, toy ny tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’izay rehetra mino izy na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny koa ny fahamarinana.
12
Rain’ny voafora tokoa izy; tsy izay voafora ihany, fa izay manaraka ny dian’ny finoan’i Abrahama raintsika koa, dia izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
13
Tsy tamin’ny lalàna anefa no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova an’izao rehetra izao fa tamin’ny fahamarinana amin’ny finoana.
14
Fa raha ireo avy amin’ny lalàna no mpandova dia tonga foana ny finoana, ary tonga tsinontsinona ny teny fikasana.
15
Mahatonga fahatezerana mantsy ny lalàna; fa raha tsy misy lalàna dia tsy misy fandikan-dalàna.
16
Noho izany dia ny finoana no hahatò ny teny fikasana ho an’ny taranaka rehetra, mba ho araka ny fahasoavana, tsy ho an’izay avy amin’ny lalàna ihany fa ho an’izay avy amin’ny finoan’i Abrahama koa, dia ilay raintsika rehetra,
17
araka ny voasoratra hoe: «Nataoko rain’ny firenena maro ianao» (Gen 17.5). Raintsika izy eo anatrehan’Izay ninoany: Andriamanitra izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy ho misy.
18
Na dia efa tsy nisy nanantenana aza dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho tonga rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao» (Gen 15.5).
19
Tsy mba nalemy finoana izy na dia nihevitra ny tenany ho efa toy ny maty aza, satria efa tokony ho zato taona izy, toy izany koa ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha.
20
Tsy nisalasala tamin’ny tsy finoana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra izy fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra
21
sady natoky tanteraka fa izay nolazainy dia hainy hatao tokoa.
22
Dia nisaina ho fahamarinany izany.
23
Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana hoe: Nisaina ho azy izany,
24
fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty,
25
Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ary natsangana indray ho fanamarinana antsika.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16