bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 2
Romans 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 3 →
1
Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ry olona, na iza na iza ianao no mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
2
Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina amin’izay manao toy izany.
3
Ary ianao, ry olona, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa heverinao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra ianao?
4
Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5
Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marina ataon’Andriamanitra,
6
izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
7
Fiainana mandrakizay no ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana;
8
fahavinirana sy fahatezerana kosa no ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany sady manohitra ny marina ka manaraka ny tsy marina;
9
fahoriana sy tebiteby ho an’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa!
10
Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia amin’ny Jentilisa koa!
11
Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.
12
Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; ary izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
13
Satria tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
14
fa na oviana na oviana ireo Jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna, araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo dia manana ny lalànan’ny tenany ihany;
15
fa ireo dia maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony sady ny fieritreretany rahateo no vavolombelony, ary ny fisainany dia mifampiampanga na mifanafaka ihany koa.
16
Izany no hiseho amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny Filazantsara toriko amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
17
Fa raha milaza tena ho Jiosy ianao ka mitoky amin’ny lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao,
18
raha mahalala ny sitrapony ianao sady mahay mamantatra izay zava-dehibe satria efa nampianarina ny lalàna,
19
ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina,
20
mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao dia manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
21
Moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va ianao? Ianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
22
Ianao izay miteny hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Ianao izay manao ny sampy ho fahavetavetana, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
23
Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna?
24
Fa araka ny voasoratra dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa.
25
Mahasoa ny famorana raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao dia tonga toy ny tsy voafora na dia efa voafora aza.
26
Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy na dia tsy voafora aza?
27
Moa tsy hotsarain’ny tsy voafora izay mankatò ny lalàna va ianao izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza?
28
Fa tsy ao amin’izay miseho ivelany no maha Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana;
29
fa izay ao amin’ny miafina no maha Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy fa tsy amin’ny soratra; koa ireny dia tsy mandray dera avy amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16