bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 12
Romans 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 13 →
1
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
2
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
3
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
4
Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tenantsika izay tokana nefa tsy mitovy asa izy rehetra momba ny tena ireo,
5
dia toy izany koa isika, na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6
Fa samy manana fanomezam-pahasoavana samihafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: Raha faminaniana dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7
raha fanompoana dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra dia aoka ho amin’ny fampianarana;
8
raha mananatra dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay mitarika dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo dia aoka ho amin’ny fifaliana.
9
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
10
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
11
Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo.
12
Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana.
13
Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny.
14
Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona.
15
Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
16
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry.
17
Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra.
18
Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.
19
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
20
Fa raha noana ny fahavalonao dia omeo hanina izy; raha mangetaheta izy dia omeo hosotroiny; fa ny fanaovanao izany dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha 5.21-22).
21
Aza mety ho resin’ny ratsy ianao fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16