bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 7
Romans 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 8 →
1
Tsy fantatrareo va, ry rahalahy; eny, miteny amin’izay mahalala ny lalàna aho, fa ny lalàna dia mifehy ny olona mandritra ny fotoana ahavelomany?
2
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna amin’ny lahy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’ny lalànan’ny fanambadiana izy.
3
Koa raha mbola velona ny lahy ka manambady olon-kafa Ravehivavy dia holazaina hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga na dia manambady olon-kafa aza.
4
Noho izany, ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa tonga maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.
5
Fa fony tao amin’ny nofo isika dia ny filan’ny ota, noho ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika ka nahavokatra ho amin’ny fahafatesana.
6
Fa ankehitriny kosa dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika ka manompo araka ny fanavaozana avy amin’ny Fanahy fa tsy amin’ny fomba tranainy tao ambanin’ny lalàna voasoratra.
7
Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahafantatra ny ota aho raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana raha tsy ny lalàna no nilaza hoe: «Aza mitsiriritra» (Eks 20.17).
8
Io didy io dia noentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota raha tsy misy lalàna.
9
Izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota
10
ka tonga maty aho. Koa ny didy izay natao hahazoana fiainana dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko.
11
Fa io didy io dia noentin’ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
12
Eny, masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.
13
Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no noentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota tokoa ny ota noho ny nataon’ny lalàna.
14
Fantatsika anefa fa araka ny fanahy ny lalàna; ary izaho kosa dia nofo, namidy tamin’ny ota.
15
Fa tsy fantatro izay ataoko; satria tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no tanterahiko.
16
Raha izay tsy sitrako no ataoko dia miara-manaiky amin’ny lalàna aho fa tsara izy.
17
Ary amin’izany, tsy izaho intsony no manao io fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18
Fantatro anefa fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ananako ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ananako.
19
Tsy ny tsara izay sitrako no tanterahiko fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
20
Fa raha ny tsy sitrako no ataoko dia tsy izaho intsony no manao izany fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
21
Koa hitako izao lalàna izao: Raha ta hanao ny marina aho dia ato amiko ihany ny ratsy.
22
Mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra anefa aho araka ny maha olona ahy ato anatiko;
23
saingy mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho; izy io dia miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.
24
Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?
25
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika aho! Koa raha ny amiko dia andevon’ny lalànan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalànan’ny ota kosa amin’ny nofoko.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16