bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 16
Romans 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
1
Iny i Foiby anabavintsika, diakonan’ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
2
mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, araka izay mendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilàny anareo, fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.
3
Veloma amin’i Prisila sy i Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy;
4
izy ireo dia nanao vy very ny ainy hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy fa ny fiangonana rehetra any amin’ny Jentilisa koa.
5
Veloma amin’ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’i Azia ho an’i Kristy.
6
Veloma amin’i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
7
Veloma amin’i Androniko sy i Jonia havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ny Apostoly sady tao amin’i Kristy talohako.
8
Veloma amin’i Ampliato malalako ao amin’ny Tompo.
9
Veloma amin’i Orbano mpiara-miasa aminay ao amin’i Kristy sy i Staky malalako.
10
Veloma amin’i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’i Kristy. Veloma amin’ny ankohonan’i Aristobolo.
11
Veloma amin’i Herodiona havako. Veloma amin’ny ankohonan’i Narsisy, izay ao amin’ny Tompo.
12
Veloma amin’i Trifena sy i Trifosa, izay mikely aina ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Persy malala, izay nikely aina fatratra tao amin’ny Tompo.
13
Veloma amin’i Rofosy ilay voafidy ao amin’ny Tompo, ary veloma amin’ny reniny sy reniko.
14
Veloma amin’i Asinkrito, i Flegona, i Hermesy, i Patroba, i Hermasy, mbamin’ny rahalahy ao aminy.
15
Veloma amin’i Filologo sy i Jolia, i Nerea sy ny anabaviny ary i Olimpa sy ny olona masina rehetra izay ao aminy.
16
Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an’i Kristy manao veloma anareo.
17
Fa mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba hitandremanareo ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana, tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.
18
Fa izy ireny dia tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary amin’ny teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.
19
Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fankatoavanareo. Ary faly aho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo ary tsy hiharo amin’izay ratsy.
20
Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro haingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika!
21
Manao veloma anareo i Timoty, mpiara-miasa amiko sy i Losio ary i Jasona sy i Sosipatro havako.
22
Manao veloma anareo ao amin’ny Tompo izaho Tertio, izay manoratra ity epistily ity.
23
Manao veloma anareo i Gaio, ilay mpampiantrano ahy sy ny fiangonana rehetra. Manao veloma anareo i Erasto mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna sy i Koarto rahalahy.
24
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena!
25
Ary ho an’Izay mahay mampahery anareo araka ny Filazantsara toriko, dia ny fanambarana an’i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zavamiafina, izay voafina hatry ny fony fahagola,
26
fa efa aseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
27
ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry, anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay! Amena!
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16