bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 13
Romans 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe, satria tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.
2
Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fanamelohana.
3
Fa ny mpitondra dia tsy mba atahoran’izay manao ny tsara fa izay manao ny ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara dia hahazo dera avy aminy ianao,
4
satria mpanompon’Andriamanitra hahatsara anao izy. Fa raha ratsy kosa ny ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, mpamaly hampihatra fahatezerana amin’izay manao ny ratsy.
5
Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany fa noho ny fieritreretana koa.
6
Noho izany no andoavanareo vola hetra fa ny mpandray ireny dia mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany asa izany indrindra.
7
Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, haba ho an’izay tokony handoavana haba, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina.
8
Aza avela hisy trosa tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia nahatanteraka ny lalàna.
9
Fa ny hoe: «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona» (Eks 20.13-17), mbamin’izay didy hafa rehetra dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
10
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
11
Tokony hanao izany indrindra isika satria fantatsika ny fotoana, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny, ny famonjena antsika dia akaiky noho ny fony vao nino isika.
12
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.
13
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.
14
Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16