bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 3
Romans 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
1
Koa inona ary no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona no soa avy amin’ny famorana?
2
Maro ihany ireo amin’ny lafiny rehetra: Voalohany: Izy no notolorana ny tenin’Andriamanitra ho andraikiny.
3
Fa ahoana ary? Raha tsy nahatoky ny sasany, moa ny tsy fahatokiany va hahafoana ny fahatokian’Andriamanitra?
4
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ekena ho marina fa ny olona rehetra kosa dia ho mpandainga, araka ny voasoratra hoe: «Mba ho hita ho marina amin’ny teninao Ianao ary hahery, raha tsaraina» (Sal 51.4).
5
Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, inona ary no holazaintsika? Tsy marina va Andriamanitra raha mampihatra ny fahatezerany? Miteny araka ny fanaon’ny olona aho.
6
Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7
Raha nitombo noho ny laingako kosa ny fahamarinan’Andriamanitra mba ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8
Nahoana ary no tsy hanao ratsy isika mba hiavian’ny soa? Tahaka izany ny tenin’ny sasany izay manendrikendrika anay ho milaza izany. Mendrika ny fanamelohana azy ireny.
9
Ahoana ary? Ambony noho ny hafa va isika? Tsy izany velively; satria efa voalazantsika rahateo fa mpanota avokoa na ny Jiosy na ny Jentilisa
10
araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11
tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra.
12
Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza» (Sal 14.1-3).
13
«Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka» (Sal 5.9). «Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony» (Sal 140.3);
14
«Feno ozona sy teny mangidy ny vavany» (Sal 10.7);
15
«Mailaka handatsa-dra ny tongony;
16
fandravana sy fandringanana no eo amin’ny lalany
17
ary tsy fantany ny lalan’ny fiadanana» (Isa 59.7-8).
18
«Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony» (Sal 36.1).
19
Fantatsika koa fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao,
20
satria tsy misy nofo hohamarinina eo anatrehany amin’ny asan’ny lalàna; fa ny fahalalana ny amin’ny ota ihany no azo avy amin’ny lalàna.
21
Ankehitriny dia naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy tamin’ny lalàna anefa izany, fa nambaran’ny lalàna sy ny mpaminany;
22
fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino, satria tsy misy fanavakavahana,
23
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra;
24
nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
25
Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasa
26
tamin’ny nandeferany; mba hanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany ankehitriny ka ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.
27
Aiza ary ny fireharehana? Foana izany. Amin’ny lalàna manao ahoana? Amin’ny lalànan’ny asa va? Tsia, fa amin’ny lalànan’ny finoana.
28
Koa amin’izany dia heverintsika fa finoana no anamarinana ny olona fa tsy ny asan’ny lalàna.
29
Moa Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy fa tsy an’ny Jentilisa koa? Eny, an’ny Jentilisa koa Izy,
30
satria iray ihany Andriamanitra, izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ny finoana.
31
Koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany! Fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16