bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Romans 9
Romans 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 10 →
1
Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho fa tsy mandainga, sady vavolombelona miaraka amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako:
2
Mafy ny alaheloko ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.
3
Fa efa saika niriko ho voaozona ho afaka amin’i Kristy aza ny tenako noho ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
4
izay Israelita sady manana ny fananganana anaka, ny voninahitra, ireo fanekena, ny fanomezana ny lalàna, ny fombam-pivavahana ary ireo teny fikasana;
5
azy koa ny razana izay niavian’i Kristy araka ny nofo, Kristy izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay! Amena!
6
Kanefa tsy milaza aho fa foana ny tenin’Andriamanitra. Satria tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no Israely.
7
Tsy izay taranak’i Abrahama dia zanany avokoa fa «Avy amin’Isaka no hiantsoana ny taranaka ho anao» (Gen 21.12).
8
Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra, fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
9
Fa izao no voalazan’ny teny fikasana: «Raha mitsingerina ny fotoana toy izao dia ho avy Aho ary hanan-janakalahy i Saraha» (Gen 18.10).
10
Ary tsy izany ihany fa i Rebeka koa dia nanana anaka tamin’ny lehilahy iray, dia tamin’Isaka razantsika;
11
fa fony tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy, dia nolazaina tamin-dRavehivavy hoe: «Hanompo ny zandriny ny zokiny» (Gen 25.23),
12
mba hitoeran’ny fikasan’Andriamanitra, araka ny fifidianany, tsy avy amin’ny asa, fa avy amin’Izay miantso,
13
sy araka ny voasoratra hoe: «I Jakoba no tiako fa i Esao kosa dia halako» (Mal 1.2-3).
14
Inona ary no holazaintsika? Misy tsy fahamarinana va ao amin’Andriamanitra? Sanatria izany!
15
Fa hoy Izy tamin’i Mosesy: «Hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo» (Eks 33.19).
16
Koa tsy avy amin’izay maniry na avy amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra izay miantra.
17
Fa hoy ny Soratra Masina ny amin’i Farao: «Izany no nanandratako anao mba hoentiko mampiseho ny heriko ary mba hanambarana ny anarako any amin’ny tany rehetra» (Eks 9.16).
18
Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.
19
Dia hilaza amiko ianao hoe: Koa nahoana ary Izy no manome tsiny ihany? Fa iza moa no afaka hanohitra ny sitrapony?
20
Ry olona! Fa iza moa ianao no mamaly an’Andriamanitra? Izay zavatra novolavolaina va hilaza amin’Izay namolavola azy hoe: Nahoana Ianao no nanao ahy toy izao?
21
Moa ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samihafa, ny iray dia hohajaina, ary ny iray kosa dia hatao tsinontsinona?
22
Ary raha Andriamanitra izay ta haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza no be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
23
mba hampahafantarany koa ny harenan’ny voninahiny amin’ny fanaky ny famindrampo izay namboariny rahateo ho amin’ny voninahitra,
24
dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany fa ny avy amin’ny Jentilisa koa,
25
araka izay lazainy ao amin’i Hosea hoe: «Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; ary ilay tsy malala hoe malala» (Hos 2.25);
26
«Ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona» (Hos 2.1).
27
Ary miantso mafy Isaia ny amin’ny Israely hoe: «Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’Israely dia izay sisa ihany no hovonjena;
28
fa hefain’NY TOMPO tanteraka sy haingana etỳ ambonin’ny tany ny teniny» (Isa 10.22-23);
29
ary araka izay nambaran’Isaia mialoha hoe: «Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tahaka an’i Gomora isika» (Isa 1.9).
30
Inona ary no holazaintsika? Ny Jentilisa izay tsy nitady fahamarinana no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ny finoana,
31
fa ny Israely izay nitady ny lalànan’ny fahamarinana kosa dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32
Nahoana ary? Satria tsy tamin’ny finoana no nitadiavany izany fahamarinana izany fa toy ny tamin’ny asa ka tafintohina tamin’ny vato mahatafintohina izy;
33
araka ny voasoratra hoe: «Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 8.14; 28.16).
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16