bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 10
1 Corinthians 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 11 →
1
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa tao ambanin’ny rahona ny razantsika rehetra, namakivaky ny ranomasina izy rehetra,
2
natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra,
3
nihinana ny sakafo ara-panahy iray ihany izy rehetra,
4
nisotro ny fisotro ara-panahy iray ihany izy rehetra; fa nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy rehetra, ary Kristy izany vatolampy izany.
5
Nefa ny ankabeazany dia tsy sitrak’Andriamanitra fa naringana tany an-tany efitra.
6
Izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika mba tsy hitsiriritra zava-dratsy isika toy ny nitsiriritan’izy ireny.
7
Aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo, tahaka ny sasany tamin-dry zareo, araka ny voasoratra hoe: «Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona dia nitsangana hilalao» (Eks 32.6).
8
Aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin-dry zareo ka telo arivo sy roa alina no ringana indray andro.
9
Aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin-dry zareo fanahy Azy ka nahatonga azy ireny ho matin’ny menarana.
10
Aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin-dry zareo, izay matin’ny mpandringana.
11
Ary izany dia nanjo azy ireny mba ho anatra sady voasoratra koa ho fananarana antsika izay iharan’izao andro farany izao.
12
Koa izay milaza azy fa mijoro tsara dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo.
13
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
14
Koa amin’izany, ry malala, dia mandosira ny fanompoan-tsampy.
15
Milaza toy ny amin’ny olona manan-tsaina aho; hevero izay lazaiko aminareo.
16
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy fiombonana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy fiombonana amin’ny tenan’i Kristy va izany?
17
Satria iray ihany ny mofo dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa.
18
Indreo ny Israely araka ny nofo; moa tsy mpiombona amin’ny alitara va izay mihinana ny fanatitra?
19
Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra misy heviny va ny hena aterina amin’ny sampy, ary mety ho zavatra tena izy va ny sampy?
20
Tsia, fa izay zavatra atolotry ny Jentilisa ho fanatitra dia atolony ho an’ny demonia fa tsy ho an’Andriamanitra (Deo 32.17); koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo.
21
Tsy afaka sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo ianareo no hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy afaka sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo ianareo no sady hihinana amin’ny latabatry ny demonia.
22
Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23
Azo atao ny zavatra rehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; azo atao ny zavatra rehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24
Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany fa ny hahasoa ny namany.
25
Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26
fa «an’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy» (Sal 24.1).
27
Ary raha misy amin’ny tsy mino manasa anareo ka ta handeha ianareo dia hano izay arosony eo anoloanareo fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28
Fa raha misy milaza aminareo hoe: Hena naterina tamin’ny sampy io dia aza homana noho ny amin’ilay nilaza taminareo sy noho ny fieritreretana.
29
Fieritreretana, hoy aho, tsy ny an’ny tenanao fa ny an’ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no hotsarain’ny fieritreretan’ny olon-kafa?
30
Fa raha amin’ny fisaorana no ihinanako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’izay anaovako fisaorana?
31
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
32
Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny Jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra,
33
dia tahaka ahy koa, manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany fa ny mahasoa ny maro mba hahatonga azy hovonjena.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16